-
Psalms 33
- 1 Mihobia ho an’ i Jehovah ianareo, ry olo-marina; fa mendrika hataon’ ny olo-mahitsy ny fiderana.
- 2 Miderà an’ i Jehovah amin’ ny lokanga; mankalazà Azy amin’ ny valiha tory folo.
- 3 Mihirà fihiram-baovao ho Azy; mitendre tsara amin’ ny feo fifaliana.
- 4 Fa mahitsy ny tenin’ i Jehovah, ary ny asany rehetra dia mahatoky avokoa.
- 5 Tia fahamarinana sy rariny Izy; henika ny famindram-pon’ i Jehovah ny tany.
- 6 Ny tenin’ i Jehovah no nanaovana ny lanitra; ary ny fofonain’ ny vavany no nanaovana ny hamaroany rehetra.
- 7 Mampiavosa ny rano ao an-dranomasina ho toy ny antontan-javatra Izy; mitahiry ny rano lalina ao an-trano fitehirizana Izy.
- 8 Aoka hatahotra an’ i Jehovah ny tany rehetra; aoka hangovitra eo anatrehany ny mponina rehetra amin’ izao tontolo izao.
- 9 Fa Izy no niteny dia ary izany; Izy no nandidy, dia nitoetra mafy izany.
- 10 Jehovah mahafoana ny fisainan’ ny firenen-tsamy hafa; Mahatsinontsinona ny hevitry ny olona Izy.
- 11 Ny fisainan’ i Jehovah maharitra mandrakizay, ny hevitry ny fony mahatratra ny taranaka fara mandimby.
- 12 Sambatra ny firenena izay manana an’ i Jehovah ho Andriamaniny, dia ny olona nofidiny ho lovany.
- 13 Eny an-danitra no itsinjovan’ i Jehovah, mijery ny zanak’ olombelona rehetra Izy;
- 14 Eo amin’ ny fonenany no ijereny ny mponina rehetra ambonin’ ny tany,
- 15 Dia Izy Mpamorona ny fon’ izy rehetra sy Mpamantatra ny asany rehetra.
- 16 Tsy misy mpanjaka voavonjin’ ny hamaroan’ ny miaramilany; ny olo-mahery tsy voavonjin’ ny haben’ ny heriny.
- 17 Ny soavaly tsy azo itokiana ho famonjena, ary tsy mahavonjy ny haben’ ny heriny.
- 18 Indro, ny mason’ i Jehovah mitsinjo izay matahotra Azy, dia izay manantena ny famindram-pony,
- 19 mba hanafaka ny fanahiny amin’ ny fahafatesana, sy hamelona azy, raha misy mosary.
- 20 Ny fanahintsika miandry an’ i Jehovah; famonjena antsika sy ampingantsika Izy.
- 21 Fa Izy no ifalian’ ny fontsika, satria ny anarany masìna no itokiantsika.
- 22 Jehovah ô, aoka ny famindram-ponao hitoetra aminay araka ny anantenanay Anao.
-
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.