-
Psalms 90
- 1 Tompo ô, efa fonenanay hatramin’ ny taranaka rehetra Hianao.
- 2 Fony tsy mbola ary ny tendrombohitra, Na voaforonao ny tany sy izao rehetra izao, Dia Andriamanitra Hianao hatramin’ ny taloha indrindra ka mandrakizay.
- 3 Mamerina ny olona ho amin’ ny vovoka Hianao Ka manao hoe: Miverena, ry zanak’ olombelona.
- 4 Fa eo imasonao ny arivo taona dia toy ny fandalon’ ny omaly, Ary tahaka ny fotoam-piambenana iray amin’ ny alina.
- 5 Manindao azy tahaka ny riaka Hianao torimaso izy; Amin’ ny maraina tahaka ny ahitra mora miova izy.
- 6 Amin’ ny maraina mamony izy, nefa mora miova; Amin’ ny hariva voajinja izy ka maina.
- 7 Fa lanin’ ny fahatezeranao izahay, Ary raiki-tahotra noho ny fahaviniranao.
- 8 Ny helokay efa nataonao teo anatrehanao, Ary ny fahotanay miafina teo amin’ ny fahazavan’ ny tavanao.
- 9 Fa ny androanay rehetra efa lasa amin’ ny fahatezeranao; Efa laninay toy ny eritreritra ny taonanay.
- 10 Fito-polo taona no andron’ ny taonanay Ary raha tàhiny mateza aza, dia valo-polo taona, Nefa fahasasarana sy zava-poana ny voninahiny, Fa mihelina faingana izany, ka lasa manidina izahay.
- 11 Iza no mahafantatra ny herin’ ny fahatezeranao sy ny fahaviniranao Araka izay tokony ho fahatahorana Anao?
- 12 Mampianara anay hanisa ny andronay, Hahazoanay fo hendry.
- 13 Miverena, Jehovah ô! Mandra-pahoviana? Ary mba aneneno ny amin’ ny mpanomponao.
- 14 Vokiso ny famindram-ponao nony maraina izahay, Mba hihobianay sy hifalianay amin’ ny andro rehetra hiainanay.
- 15 Mampifalia anay araka ny andro nampahorianao anay Sy ny taona nahitanay loza.
- 16 Aoka hiseho amin’ ny mpanomponao ny asanao, Ary ny voninahitrao amin’ ny zanany.
- 17 Ary aoka ho aminay ny fahasoavan’ ny Tompo Andriamanitray; Ary ampitoero aminay ny asan’ ny tananay; Eny, ny asan’ ny tananay, ampitoero izy.
-
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.