-
Psalms 118
- 1 Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindram-pony.
- 2 Aoka ny Isiraely hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony.
- 3 Aoka ny taranak’ i Arona hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony.
- 4 Aoka izay matahotra an’ i Jehovah hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony.
- 5 Tao an-katerena no niantsoako an’ i Jehovah; Dia namaly ahy Jehovah ka nampahalalaka ahy.
- 6 Jehovah no miandany amiko, ka tsy hatahotra aho. Inona no azon’ ny olona atao amiko?
- 7 Jehovah no miandany amiko, sady mamonjy ahy; Ary izaho ho faly hahita ny amin’ izay mankahala ahy.
- 8 Tsara ny mialoka amin’ i Jehovah Noho ny mialoka amin’ ny olona.
- 9 Tsara ny matoky an’ i Jehovah Noho ny matoky ny mpanapaka.
- 10 Ny firenena rehetra nanodidina ahy; Fa ny anaran’ i Jehovah no handringanako azy tokoa;
- 11 Nitangorona tamiko ireny, eny, nitangorona tamiko; Fa ny anaran’ i Jehovah no handringanako azy tokoa.
- 12 Nanodidina ahy tahaka ny renitantely izy; Voavono tahaka ny afon-tsilo izy; Fa ny anaran’ i Jehovah no handringanako azy tokoa.
- 13 Nanosika ahy mafy hahalavo ahy ianao; Fa Jehovah no namonjy ahy.
- 14 Jehovah no heriko sy fiderako. Fa efa famonjena ahy Izy.
- 15 Ao an-dain’ ny marina ny feo mihoby noho ny famonjena; Ny tanana ankavanan’ i Jehovah mampiseho hery;
- 16 Ny tanana ankavanan’ i Jehovah dia misandratra; Ny tanana ankavanan’ i Jehovah mampiseho hery.
- 17 Tsy ho faty aho, fa ho velona Ka hitory ny asan’ i Jehovah.
- 18 Nofaizan’ i Jehovah mafy aho, Nefa tsy natolony ho amin’ ny fahafatesana.
- 19 Vohay ny vavahadin’ ny fahamarinana aho; Hiditra eo aho ka hidera an’ i Jehovah.
- 20 Ity no vavahadin’ i Jehovah; Ny marina no hiditra eo.
- 21 Hidera Anao aho, fa efa namaly ahy Hianao Ka efa famonjena ahy.
- 22 Ny vato izay nolavin’ ny mpanao trano No efa tonga fehizoro Indrindra.
- 23 Avy tamin’ i Jehovah izany Ka mahagaga eo imasontsika.
- 24 Ity no andro nataon’ i Jehovah; Hifaly sy ho ravoravo amin’ izao isika.
- 25 Mifona aminao aho, Jehovah ô, vonjeo è! Mifona aminao aho, Jehovah ô, ambino è!
- 26 Hotahina anie izay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah; Avy ao an-tranon’ i Jehovah no itsofanay rano anareo.
- 27 Andriamanitra Jehovah ka nampahazava antsika; Rohizo kofehy ny fanati-piravoravoana na dia hatreo amin’ ny tandroky ny alitara aza.
- 28 Andriamanitro Hianao, ka hidera Anao aho; Eny, Andriamanitro, ka hanandratra Anao aho.
- 29 Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindram-pony.
-
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.