-
Psalms 136
- 1 Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy; Fa mandrakizay ny famindram-pony.
- 2 Midera an’ Andriamanitra Avo Indrindra; Fa mandrakizay ny famindram-pony.
- 3 Miderà ny Tompon’ ny tompo; Fa mandrakizay ny famindram-pony;
- 4 Izy irery no Mpanao fahagagan-dehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
- 5 Izay nanao ny lanitra tamin’ ny fahendrena (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
- 6 Izay namelatra ny tany ho ambonin’ ny rano, (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
- 7 Izay nanao ireo fanazavana lehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
- 8 Dia ny masoandro ho mpanapaka ny andro (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
- 9 Ary ny volana sy ny kintana ho mpanapaka ny alina (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
- 10 Izay namely ny voalohan-terak’ i Egypta, (Fa mandrakizay ny famindram-pony)
- 11 Ka nitondra ny Isiraely nivoaka avy teo aminy (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
- 12 Tamin’ ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
- 13 Izay nampisaraka ny Ranomasina Mena (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
- 14 Ka nampandeha ny Isiraely namaky teo afovoany (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
- 15 Fa nanary an’ i Farao sy ny miaramilany tao anatin’ ny Ranomasina Mena (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
- 16 Izay nitondra ny olony nitety ny efitra (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
- 17 Izay namely mpanjaka lehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
- 18 Ka nahafaty mpanjaka malaza (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
- 19 Dia Sihona, mpanjakan’ ny Amorita (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
- 20 Sy Oga, mpanjakan’ i Basana (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
- 21 Ary ny taniny nomeny ho lova (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
- 22 Dia ho lovan’ ny Isiraely mpanompony (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
- 23 Izay nahatsiaro antsika fony isika ambany toetra (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
- 24 Ka naneho hery namonjy antsika ho afaka tamin’ ny fahavalontsika (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
- 25 Izay manome hanina ny nofo rehetra (Fa mandrakizay ny famindram-pony);
- 26 Miderà an’ Andriamanitry ny lanitra; Fa mandrakizay ny famindram-pony.
-
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.