-
Psalms 35
- 1 Jehovah ô, mamalia izay manana ady amiko; miadia amin’ izay mamely ahy.
- 2 Raiso ny ampinga kely sy ny ampinga lehibe ka mitsangàna hamonjy ahy.
- 3 Ary raiso ny lefona, ka sakano izay manenjika ahy; lazao amin’ ny fanahiko hoe: Famonjena anao Aho.
- 4 Aoka ho menatra sy ho afa-baraka izay mitady ny aiko; aoka hiamboho sy hangaihay izay misaina hanisy ratsy ahy.
- 5 Aoka ho tahaka ny akofa eo alohan’ ny rivotra izy. Ary aoka ny Anjelin’ i Jehovah handroaka azy.
- 6 Aoka ho maizina sy malama ny lalany, ary aoka ny Anjelin’ i Jehovah hanenjika azy.
- 7 Fa tsy ahoan-tsy ahoana no nanaovany fandri-totofana hahazoany ahy; tsy ahoan-tsy ahoana no nandavahany hamandrihany ny aiko.
- 8 Aoka ny fandringanana ho tonga tampoka aminy; ary aoka hahazo azy ny fandrika harato nafeniny, ka ho latsaka ao amin’ izany fandringanana izany indrindra izy.
- 9 Fa ny fanahiko kosa hifaly amin’ i Jehovah sy ho ravoravo amin’ ny famonjeny.
- 10 Ny taolako rehetra hanao hoe: Jehovah ô, iza no tahaka Anao, Izay manafaka ny ory amin’ izay tsy tohany, eny, ny ory sy ny malahelo amin’ izay mamabo azy?
- 11 Mitsangana ny vavolombelona mampidi-doza; ka izay tsy fantatro no anadinany ahy.
- 12 Mamaly ratsy ahy ho solon’ ny soa izy, ka mamoy malala ny fanahiko.
- 13 Ary ny amiko, raha narary izy ireo, dia lamba fisaonana no nitafiako; nampahory ny tenako tamin’ ny ny fifadian-kanina aho; ary ny fivavako nody tao an-tratrako.
- 14 Toy ny nisy nanjo ny sakaizako na ny rahalahiko no nandehanako; nitanondrika tamin’ alahelo toy ny fisaona reny aho.
- 15 Nefa nony ho lavo kosa aho, dia faly izy ireo ka niangona; olona faraidina no nitangorona hamely ahy, nefa tsy fantatro; namiravira izy ka tsy mba nitsahatra;
- 16 Naman’ ny olon-dratsy manendrikendrika ho enti-mila sitraka izy ka nihidy vazana tamiko.
- 17 Ry Tompo ô, mandra-pahoviana no hijerenao? Avereno ny fanahiko ho afaka amin’ ny fandringanany, ny hany malalako ho afaka amin’ ny liona tanora.
- 18 Hisaotra Anao eo amin’ ny fiangonana lehibe aho; hidera Anao eo afovoan’ ny olona maro aho.
- 19 Aoka tsy hifalian’ izay mandrafy ahy foana aho; ary aoka tsy hami-maso izay mankahala ahy tsy ahoan-tsy ahoana.
- 20 Fa tsy fihavanana no lazainy; fa mamorom-pitaka izy hamelezany izay mibonaika ambonin’ ny tany.
- 21 Dia mitanatana vava amiko izy ka manao hoe: Hià! sakoa izay! efa hita’ ny masonay.
- 22 Efa hitanao, Jehovah ô, ka aza manentsin-tadiny; ry Tompo ô, aza manalavitra ahy.
- 23 Mahatsiarova, ka mifohaza ho amin’ ny fitsaràna ahy, O Andriamanitro sy Tompoko! mifohaza ho amin’ ny adiko.
- 24 Tsarao aho, Jehovah Andriamanitro ô, araka ny fahamarinanao; ary aoka tsy hifalian’ ireo aho.
- 25 Aoka tsy hanao anakampo hoe izy: Hià! faly izahay! aoka tsy hanao hoe izy: efa natelinay izy.
- 26 Aoka ho menatra sy hangaihay avokoa izay mifaly amin’ ny manjo ahy; aoka hitafy henatra sy fahafaham-baraka izay mirehareha amiko.
- 27 Aoka hihoby sy hifaly izay mankasitraka ny fahamarinako; ary aoka izy hanao mandrakariva hoe: hankalazaina anie Jehovah, Izay mankasitraka ny fiadanan’ ny mpanompony.
- 28 Ary ny lelako hilaza ny fahamarinanao; ny fiderana Anao no hataoko mandrakariva.
-
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.