-
2 Thessalonians 1
- 1 Paoly sy Silasy ary Timoty mamangy ny fiangonan’ ny Tesaloniana, izay ao amin’ Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo:
- 2 ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo.
- 3 Tsy maintsy misaotra an’ Andriamanitra mandrakariva izahay noho ny aminareo, ry rahalahy, fa mahamendrika isany, satria mitombo fatratra ny finoanareo, ary be ny fifankatiavanareo rehetra,
- 4 ka reharehan’ ny tenanay ianareo eny amin’ ny fiangonan’ Andriamanitra noho ny faharetanareo sy ny finoanareo amin’ ny fanenjehana rehetra izay manjo anareo sy ny fahoriana izay iaretanareo ―
- 5 famantarana ny fitsarana marin’ Andriamanitra izany ― mba hatao ho miendrika ny fanjakan’ Andriamanitra ianareo, sady izany koa no iaretanareo
- 6 fa zavatra marina amin’ Andriamanitra ny hamaly fahoriana izay mampahory anareo,
- 7 ary ny hanome fitsaharana anareo izay ampahorina kosa mbamin’ ny tenanay, raha hiseho Jesosy Tompo, avy any an-danitra mbamin’ ny anjelin’ ny heriny,
- 8 amin’ ny afo midedadeda, hamaly izay tsy mahalala an’ Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsaran’ i Jesosy Tompontsika,
- 9 dia olona izay hiharan’ ny famaliana marina dia fahaverezana mandrakizay avy amin’ ny fanatrehan’ ny Tompo sy ny voninahitry ny heriny,
- 10 raha tonga Izy mba hankalazaina eo amin’ ny olony masìna sy higagana eo amin’ izay rehetra mino amin izany andro izany, satria ninoana ny fanambaranay taminareo.
- 11 Ary izany no angatahinay mandrakariva ny aminareo, mba hataon’ Andriamanitsika ho miendrika ny fiantsoana ianareo, ary hotanterahiny amin’ ny hery ny fankasitrahana tsara rehetra sy ny asan’ ny finoana,
- 12 mba hankalazaina ao aminareo ny anaran’ i Jesosy Tompontsika, ary ianareo ao aminy kosa, araka ny fahasoavan’ Andriamanitsika sy Jesosy Kristy Tompo.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.