-
2 Thessalonians 3
- 1 Farany, ry rahalahy, mivavaha ho anay, mba handehanan’ ny tenin’ ny Tompo faingana ka hankalazaina toy ny eo aminareo,
- 2 ary mba hovonjena ho afaka amin’ ny olona hafahafa sy ratsy fanahy izahay; fa tsy ary manana finoana avokoa ny olona rehetra.
- 3 Fa mahatoky ny Tompo, Izay hampahery sy hiaro anareo tsy ho azon’ ny ratsy.
- 4 Fa izahay matoky anareo ao amin’ ny Tompo, fa izay zavatra andidianay dia efa ataonareo sady mbola hataonareo ihany koa.
- 5 Ary ny Tompo anie hanitsy lalana ny fonareo ho amin’ ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ho amin’ ny faharetan’ i Kristy.
- 6 Ary mandidy anareo izahay, ry rahalahy, amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hialanareo amin’ ny rahalahy rehetra izay tsy mitoetra tsara ka tsy manaraka ny fampianarana natolotra izay noraisiny taminay.
- 7 Fa ny tenanareo mahalala izay tokony hianaranareo anay; fa nitoetra tsara teo aminareo izahay,
- 8 ary tsy nihinana foana izay hanin’ olona, fa niasa andro aman’ alina tamin’ ny fikelezan’ aina sy ny fisasarana mba tsy hahavaky tratra na dia iray akory aminareo aza;
- 9 tsy noho ny tsy anananay fahefana anefa, fa mba hatolotray aminareo ho fianaranareo ny tenanay.
- 10 Fa fony mbola teo aminareo ihany aza izahay, dia nandidy anareo hoe: Raha misy tsy mety miasa, dia aoka tsy hihinana izy.
- 11 Fa renay fa misy ny sasany eo aminareo tsy mitoetra tsara, ka tsy miasa akory, fa mivezivezy foana miraharaha ny an’ olona.
- 12 Ary izay manao toy izany no didianay sy anarinay ao amin’ i Jesosy Kristy Tompo mba hiasa tsara amin’ ny fiadanana ka hihinana izay azy ihany.
- 13 Fa ianareo, ry rahalahy, aza ketraka amin’ ny fanaovan-tsoa.
- 14 Ary raha misy olona tsy manaiky ny teninay amin’ ity epistily ity, mariho izany olona izany, ka aza mikambana aminy, mba hahamenatra azy.
- 15 Anefa aza dia atao fahavalo izy, fa anaro toy ny rahalahy.
- 16 Ary ny Tompon’ ny fiadanana anie hanome anareo fiadanana mandrakariva amin’ ny zavatra rehetra. Ho aminareo rehetra anie ny Tompo.
- 17 Ity no veloma ataon’ ny tanako, izaho Paoly; izao no famantarana eo amin’ ny epistily rehetra; izao no soratro.
- 18 Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan’ i Jesosy Kristy Tompontsika.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.