-
Job 29
- 1 Dia mbola nandroso nanao oha-teny ihany Joba ka nanao hoe:
- 2 Enga anie ka ho tahaka ny tamin’ ireny volana lasa ireny aho! Dia tahaka ilay tamin’ ny andro niarovan’ Andriamanitra ahy!
- 3 Fony mbola nazava teo ambonin’ ny lohako ny jirony, ary ny fahazavany no nandehanako tao amin’ ny maizina;
- 4 Eny, tahaka ny toetro fony aho mbola fararano, raha niseho teo ambonin’ ny laiko ny fisakaizan’ Andriamanitra;
- 5 Fony mbola tao amiko ny Tsitoha, Ary nanodidina ahy ny zanako;
- 6 Fony mbola nanasa ny tongotro tamin’ ny rononomandry aho, ary ny vatolampy namoaka renirano diloilo teo amiko;
- 7 Raha niainga niakatra ho eo amin’ ny vavahadin’ ny tanàna aho ka nametraka ny fipetrahako teo an-kalalahana,
- 8 Dia nahita ahy ny zatovo ka niampirimpirina; Ary niainga ny fotsy volo, dia nijoro;
- 9 Nangina tsy niteny ny lehibe ka nitampim-bava;
- 10 Tsy sahy niteny ny mpanapaka, ary ny lelany niraikitra tamin’ ny lanilaniny.
- 11 Izay sofina nandre dia nanao ahy hoe sambatra; Ary Izay maso nahita dia vavolombelona ho ahy,
- 12 Satria namonjy ny ory izay nitaraina aho sy ny kamboty izay tsy nanan-kamonjy.
- 13 Ny fisaoran’ izay efa ho faty dia tonga tamiko; Ary ny fon’ ny mpitondratena nampifaliko.
- 14 Nitafy fahamarinana aho, ka mba nitafy ahy kosa izy; Eny, tahaka ny lamba sy ny hamama ny rariny izay nananako.
- 15 Efa maso ho an’ ny jamba aho ary tongotra ho an’ ny mandringa.
- 16 Efa ray ho an’ ny malahelo aho, ary ny adin’ ny olona tsy fantatro aza nodinihiko.
- 17 Namaky ny nifin’ ny ratsy fanahy aho ka nandrombaka ny babo teo am-bavany
- 18 Dia hoy izaho: Eo amin’ ny akaniko ihany no hialako aina, ary hanamaro ny androko toy ny fasika aho.
- 19 Ny fakako ho azon’ ny rano, ary ny ando hitoetra amin’ ny sampako mandritra ny alina.
- 20 Ho vaovao amiko lalandava ny voninahitro, ary ny tsipikako hihahenjana eny an-tanako.
- 21 Nihaino ahy ny olona, dia niandry, ka nangina tamin’ ny fanolorako saina izy.
- 22 Rehefa niteny aho, dia tsy mba namaly intsony izy; ary nitetevan’ ny teniko izy.
- 23 Niandry ahy toy ny fiandry ny ranonorana izy ary nitanatana vava toy ny fiandry ny fara-orana.
- 24 Raha nisy nila ho ketraka, dia mbola niseho miramirana taminy ihany ny tarehiko, ary tsy nahamaloka ny fahazavan’ ny tavako ireo.
- 25 Nifidy ny lalan-kalehany aho ka nipetraka ho lohany, eny, nitoetra toy ny mpanjaka teo amin’ ny miaramila sy toy ny mpampionona ny misaona aho.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.