-
Job 28
- 1 Fa misy tany fihadiana volafotsy, ary misy tany fahazoana volamena, izay diovina.
- 2 Ny vy dia alaina avy amin’ ny tany, ary ny varahina arendrika avy amin’ ny vato.
- 3 Ny mpihady vola mampisava ny maizina ka mizaha hatramin’ ny faran’ ny zavatra rehetra ao, dia ny vaton’ ny aizim-pito sy ny aloky ny fahafatesana;
- 4 Mihady lavaka mihalavitra amin’ izay itoeran’ olona izy ka tsy ampoizin’ ny tongotra akory, ary mihantona sy mitsingevaheva any ambany lavitra ny olona izy.
- 5 Ny tany no ihavian’ ny hanina; Ary ny ao ambaniny dia avadika tahaka ny afo.
- 6 Fitoeran’ ny safira ny vatony, ary misy akoram-bolamena ao aminy
- 7 Làlana tsy fantatry ny vorona mpihaza ary tsy hitan’ ny mason’ ny voromahery,
- 8 Sady tsy nodiavin’ ny zanaky ny bibi-dia ary tsy mba nalehan’ ny liona masiaka.
- 9 Maninjitra ny tànany amin’ ny vatokaranana ireo ary mamadika ny tendrombohitra hatramin’ ny fotony;
- 10 Ny vatolampy tatahany hatao lalan-drano, ary izay zava-tsoa rehetra dia hitan’ ny masony avokoa.
- 11 Tampenany ny lalan-drano mba tsy hisy mitete. Ary izay zava-miafina dia avoakany ho amin’ ny mazava.
- 12 Fa aiza kosa no hahitana ny fahendrena? ary aiza no fitoeran’ ny fahalalana?
- 13 Tsy misy zanak’ olombelona mahalala ny vidiny, ary tsy hita eo amin’ ny tanin’ ny velona izy.
- 14 Hoy ny lalina: Tsy ato anatiko izy; Ary, tsy ato amiko izy, hoy ny ranomasina.
- 15 Ny volamena tsara tsy mahatakalo azy, ary ny volafotsy tsy azo lanjaina ho vidiny;
- 16 Ny volamena avy any Ofira tsy ampy ho tombany, na ny beryla saro-bidy sy ny safira aza.
- 17 Ny volamena sy ny fitaratra tsy azo ampitahaina aminy, ary tsy azo takalozana firavaka tena volamena izy.
- 18 Tsy tokony hotsaroana akory ny voahangy sy ny vato krystaly, fa ny fahazoana fahendrena dia mihoatra noho ny voahangy.
- 19 Ny topaza avy any Etiopia dia tsy azo ampitahaina aminy, ary tsy mahatakalo azy ny tena volamena tsara
- 20 Dia avy aiza ary ny fahendrena? Ary aiza no fitoeran’ ny fahalalana?
- 21 Miafina amin’ ny mason’ ny velona rehetra izany ary takona amin’ ny voro-manidina.
- 22 Hoy Abadona sy Ifahafatesana: Ny sofinay ihany no nandrenesany ny filazana azy.
- 23 Andriamanitra ihany no mahalala ny lalana ho any aminy, ary Izy no mahafantatra ny itoerany;
- 24 Fa Izy no mitsinjo hatramin’ ny faran’ ny tany ary mahatazana manerana izao ambanin’ ny lanitra rehetra izao,
- 25 Ka manendry ny lanjan’ ny rivotra ary mamatra ny rano amin’ ny famarana.
- 26 Raha nanao lalana ho an’ ny ranonorana Izy sy lalana halehan’ ny helatry ny kotrokorana,
- 27 Dia nahita ka nanambara azy Izy; Eny, nanorina azy Izy sady namantatra azy;
- 28 Dia hoy Izy tamin’ ny olona: Indro, ny fahatahorana ny Tompo no fahendrena. Ary ny fialàna amin’ ny ratsy no fahalalana.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.