-
Job 36
- 1 Ary mbola nandroso niteny ihany Eliho ka nanao hoe:
- 2 Mahareta kely amiko, dia hambarako aminao, fa mbola misy teny holazaina hanamarina an’ Andriamanitra.
- 3 Halaiko avy lavitra ny fahalalako, ka hanamarina ny Mpanao ahy aho.
- 4 Fa tsy lainga tsy akory ny teniko; Lehilahy tanteraka amin’ ny fahalalana no eto aminao.
- 5 Indro, lehibe Andriamanitra, kanefa tsy mba mamingavinga, lehibe amin’ ny herin’ ny fahalalana Izy.
- 6 Tsy mitsimbina ny ain’ ny ratsy fanahy Izy, fa manome rariny ho an’ ny ory.
- 7 Tsy mampiala ny masony amin’ ny marina Izy; Eo amin’ ny mpanjaka ambonin’ ny seza fiandrianany no am-pitoerany azy ho mandrakizay, ka dia tafasandratra.
- 8 Ary raha voafatotra amin’ ny gadra izy sy voafehy amin’ ny tadin’ ny fahoriana.
- 9 Dia ambarany azy ny asany sy ny fahotany, fa efa nanandra-tena izy ireny.
- 10 Dia manokatra ny sofiny hihaino fananarana Izy ka mandidy azy hibebaka hiala amin’ ny ratsy.
- 11 Raha mihaino ka manaiky Azy Izy, dia lany amin’ ny fiadanana ny androny, ary ny taonany amin’ ny fahafinaretana
- 12 Fa raha tsy mihaino kosa izy, dia ho voan’ ny fiadiana ka ho faty tsy amim-pahalalana.
- 13 Fa ny mpihatsaravelatsihy dia mirakitra fahatezerana; Tsy mitaraina izy, na dia afatony aza;
- 14 Ka dia maty raha mbola tanora izy, eny, afaka ny ainy eo amin’ ny olom-betaveta,
- 15 Fa ny fahorian’ ny ory kosa no entin’ Andriamanitra mamonjy azy, Ary ny manjo azy no entiny manokatra ny sofiny.
- 16 Ary na dia ianao aza dia ampialainy amin’ ny fahaterena ho amin’ ny malalaka izay tsy misy mahatery; Ary ny matavy indrindra no aroso ho eo ambonin’ ny latabatrao.
- 17 Nefa raha fatra-pikikitra amin’ ny adin’ ny ratsy fanahy ianao, dia hihazona anao ny ady sy ny fanamelohana;
- 18 Aoka tsy hamporisika anao hiteny ratsy ny fahatezerana, ary aoka tsy hampivily hevitra anao ny halehiben’ ny avotra.
- 19 Moa hahatonga anao ho ao amin’ izay tsy misy fahoriana va ny fitarainanao na izay rehetra tratry ny fahatanjahana?
- 20 Aza irinao ny hihavian’ ny alina, izay ampialana ny olona amin’ ny fitoerany.
- 21 Tandremo, aza mivily ho amin’ ny ratsy; Fa saingy ozoim-pahoriana ianao, dia mifidy izany.
- 22 Indro, Andriamanitra miasa amin’ ny heriny mampiseho ny fisandratany; Iza no mba mpampianatra tahaka Azy?
- 23 Iza no efa nandidy Azy ny amin’ izay lalan-kalehany? Ary iza no efa nilaza taminy hoe: Efa nanao ratsy Hianao?
- 24 Tsarovy ny hankalaza ny asany, Izay efa nataon’ ny olona an-kira.
- 25 Fa faly mahita izany ny olona rehetra; Ary jeren’ ny zanak’ olombelona eny lavitra eny izany.
- 26 Indro, lehibe Andriamanitra, ka tsy takatry ny saintsika Izy; Ary tsy hita isa ny taonany.
- 27 Fa mampisavoana ny rano Izy, dia milatsaka ho ranonorana aman-javona izany,
- 28 Izay aidin’ ny rahona ka alatsany amin’ ny olona maro be.
- 29 Ary koa, iza moa no mahalala ny amin’ ny fivelatry ny rahona sy ny fikotrokotroka ao an-dainy?
- 30 Indro, mamelatra ny fahazavany eo amboniny Izy ary manao ny fanambanin’ ny ranomasina ho firakofany.
- 31 Fa ireny zavatra ireny no itsarany ny firenena sady anomezany hanina betsaka.
- 32 Mifono fahazavana ny tànany, ary baikoiny iny mba hahavoa ny fahavalony;
- 33 Ny fikotrokotrony dia manambara Azy, ary ny omby aman’ ondry koa aza milaza ny hihaviany.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.