-
Job 10
- 1 Maharikoriko ahy ny aiko; Hamoaka ny fitarainako aho sy hiteny noho ny fangidian’ ny fanahiko
- 2 Hanao amin’ Andriamanitra hoe aho: Aza manameloka ahy; Mba ampahalalao izay anton’ ny iadianao amiko aho.
- 3 Mahafaly Anao va ny hampahory sy hanary ny efa nisasaranao ka hamirapiratra amin’ ny fisainan’ ny ratsy fanahy?
- 4 Manana maso nofo va Hianao? Na mijery tahaka ny fijerin’ ny zanak’ olombelona?
- 5 Tahaka ny andron’ ny zanak’ olombelona va ny andronao? Na tahaka ny taonan’ ny olombelona ny taonanao,
- 6 No dia mikaroka izay heloko Hianao sy mikatsaka izay fahotako,
- 7 Na dia fantatrao aza fa tsy mba ratsy fanahy aho, ary tsy misy mahavonjy amin’ ny tananao?
- 8 Ny tananao ihany no namorona ahy ka nanisy endrika izao tenako rehetra izao, kanjo levoninao indray aho izao.
- 9 Masìna Hianao, tsarovy fa notefenao toy ny tanimanga aho, ka hamerina ahy amin’ ny vovoka indray Hianao!
- 10 Tsy naidinao toy ny ronono va aho ka nampandrinao toy ny ronono-mandry?
- 11 Eny, notafianao hoditra sy nofo aho ary norarinao tamin’ ny taolana sy ny ozatra.
- 12 Aina sy famindram-po no nomenao ahy; Ary ny fiahianao no niaro ny aiko.
- 13 Saingy izao no nafeninao tao am-ponao, eny, fantatro fa tao aminao izao:
- 14 Raha manota aho, dia mamantatra ahy Hianao ka tsy manafaka ahy amin’ ny heloko.
- 15 Raha meloka aho, dia lozako! Ary na dia marina aza aho, dia tsy ho sahy miandrandra, satria feno henatra sady mahatsiaro fahoriana aho.
- 16 Fa raha sahy miandrandra aho, dia hihaza ahy tahaka ny liona masiaka Hianao; Ary hiverina indray Hianao, ka ho mahagaga ny famelinao ahy.
- 17 Mbola hanangana vavolombelona vaovao mandrakariva hanameloka ahy Hianao sy hampitombo ny fahatezeranao amiko; Fahavalo mifanontona no mamely ahy.
- 18 Ka nahoana no namoaka ahy foana avy tany am-bohoka Hianao? Fa raha tsy izany, dia ho niala aina aho, ka tsy mba nisy maso nahita ahy akory.
- 19 Ary efa toy ny tsy ary aho. Ka nentina avy tany an-kibo ho any am-pasana.
- 20 Tsy vitsy va ny androko? Koa mitsahara Hianao, mihataha mba hakako aina kely,
- 21 Dieny tsy mbola lasa tsy hiverina aho, dia ho any amin’ ny tanin’ ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana,
- 22 Ho any amin’ ny tany maizim-pito, dia ny an’ ny aloky ny fahafatesana sy ny fikorontanana, sady maizim-pito ny famirapiratana any.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.