-
Job 22
- 1 Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe:
- 2 Mahasoa an’ Andriamanitra va ny olona? Tsia, fa mahasoa ny tenany ihany ny olon-kendry.
- 3 Mampaninona ny Tsitoha moa, raha marina ianao, sa misy tombony ho Azy, raha ataonao tsy misy diso ny alehanao?
- 4 Moa ny fahatahoranao Azy va no ananarany anao, sy ifanatrehany aminao amin’ ny fitsarana?
- 5 Tsy be va ny faharatsianao, sady tsy hita isa ny helokao?
- 6 Fa efa naka tsatòka tsy ahoan-tsy ahoana tamin’ ny rahalahinao ianao ka nanendaka ny akanjon’ ny mahantra.
- 7 Tsy nanome rano hosotroin’ ny mangetaheta ianao sady tsy nahafoy hanina ho an’ ny noana.
- 8 Fa ny olona sandriana ihany no nanana ny tany; Ary ny manan-kaja ihany no nitoetra teo.
- 9 Efa nampialainao maina ny mpitondratena. Ary tapahina ny sandrin’ ny kamboty.
- 10 Koa noho izany dia misy fandrika manodidina anao, ary ny fahatahorana dia mampihorohoro anao tampoka;
- 11 Moa tsy ianao va ny maizina Sy ny rano mandriaka mandifotra anao?
- 12 Tsy avo tahaka ny lanitra va Andriamanitra? Jereo ny hahavon’ ny kintana, endrey ny hahavony!
- 13 Nefa hoy ianao: Ataon’ Andriamanitra ahoana no fahafantatra? Mahay mitsara ary ankoatry ny rahona maizina va Izy?
- 14 Ny rahona matevina manakona Azy, ka tsy mahita Izy; Ary mandehandeha eny amin’ ny lanitra Izy.
- 15 Moa hizotra amin’ ny lalana izay nalehan’ ny olona fahagola va ianao? Dia ilay nalehan’ ny olona ratsy fanahy.
- 16 Izay nesorina alohan’ ny androny, ka nindaosin’ ny riaka ny fanorenany,
- 17 Dia ireo izay manao tamin’ Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Ary inona no azon’ ny Tsitoha atao ho anay?
- 18 Kanefa Izy no efa nameno zava-tsoa ny tranony ho lavitra ahy anie ny fisainan’ ny ratsy fanahy!
- 19 Ny marina mahita ka mifaly, Ary ny tsy manan-tsiny mihomehy ireny hoe:
- 20 Marina tokoa fa efa rava ny fahavalontsika, ary ny hareny betsaka efa levon’ ny afo.
- 21 Mifankazara amin’ ny Tsitoha ianao, dia hiadana; Izany no hahatongavan’ ny soa aminao.
- 22 Masìna ianao, mandraisa fampianarana avy amin’ ny vavany, ary alatsaho ao am-ponao ny teniny.
- 23 Raha miverina aminy ianao, dia haorina tsara, eny, raha ampanalavirinao ny lainao ny heloka.
- 24 Ario eny amin’ ny vovoka ny akoram-bolamena sy ny akoram-bolafotsy, eny, ario eny amin’ ny vato eny an-dohasahan-driaka ny volamena avy any Ofira;
- 25 Fa ny Tsitoha no ho akoram-bolamenanao sy akoram-bolafotsinao, Ary ho volafotsy mamirapiratra ho anao.
- 26 Fa amin’ izany dia hiravoravo amin’ ny Tsitoha ianao ka hanandratra ny tavanao amin’ Andriamanitra.
- 27 Raha mifona aminy ianao, dia hihaino anao Izy; Ary ny voadinao dia hefainao.
- 28 Ary raha misy kasainao hatao, dia hotanterahina aminao, ary hamirapiratra amin’ ny lalanao ny mazava.
- 29 Raha misy mietry, dia hataonao hoe: Misandrata; fa ny manetry tena hovonjeny.
- 30 Hanafaka ny olona meloka Izy, eny, ny fahadiovan’ ny tananao no hamonjena azy.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.