-
Proverbs 27
- 1 Aza mirehareha ny amin’ ny ho ampitso ianao; Fa na dia ny havoaky ny anio aza tsy fantatrao.
- 2 Aoka ny olon-kafa no hidera anao, fa tsy ny vavanao, Eny, ny vahiny, fa tsy ny molotrao.
- 3 Mavesatra ny vato, ary mavesa-danja ny fasika; Fa ny fahasosoran’ ny adala dia manoatra noho izy roa tonta.
- 4 Masiaka ny fahavinirana, ary misafoaka ny fahatezerana; Fa iza no mahajanona eo anatrehan’ ny fahasaro-piaro?
- 5 Aleo anatra imaso Toy izay fitia afenina.
- 6 Azo itokiana hahasoa ny fery ataon’ ny sakaiza; Fa tena fitaka ny fanorohan’ ny fahavalo.
- 7 Hitsakitsahin’ ny voky na dia ny toho-tantely aza; Fa mamin’ ny noana na dia ny zava-mangidy rehetra aza.
- 8 Toy ny voron-kely miala amin’ ny akaniny ka mirenireny, Dia toy izany ny olona izay mirenireny miala amin’ ny fonenany.
- 9 Ny diloilo sy ny zava-manitra mahafaly ny fo, Ary ny hamamin’ ny sakaiza dia avy amin’ ny ana-panahy ataony.
- 10 Aza mahafoy ny sakaizanao, na ny sakaizan-drainao, Ary aza mankany amin’ ny tranon’ ny rahalahinao amin’ ny andro fahorianao; Fa tsara ny namana akaiky noho ny rahalahy lavitra.
- 11 Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko, Mba hamaliako izay miteny ratsy ahy.
- 12 Ny mahira-tsaina mahatazana ny loza ka miery; Fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.
- 13 Alao ny lambany, fa efa niantoka olon-kafa izy, Ary tano ho solon’ ny vahiny janga niantohany izy.
- 14 Izay mifoha maraina koa ka misaotra ny sakaizany amin’ ny feo mahery, Dia isaina ho fanozonana izany.
- 15 Tahaka ny fijononoky ny ranonorana be Ny vehivavy tia ady.
- 16 Izay misakana azy dia toy ny misakana ny rivotra, Sady toy ny mamihina diloilo ny tànany ankavanana.
- 17 Ny vy maharanitra ny vy, Toy izany, ny olona maharanitra ny tarehin’ ny sakaizany.
- 18 Izay miaro aviavy dia hihinana ny voany; Ary izay miambin-tompo dia homem-boninahitra.
- 19 Toy ny tandindona eny anaty rano mifanahaka amin’ ny tarehy, Dia toy izany no ifanahafan’ ny fon’ ny olona amin’ ny an’ olona.
- 20 Ny fiainan-tsi-hita sy ny fandringanana tsy mety voky, Dia toy izany no tsy ahamamoan’ ny mason’ ny olona.
- 21 Ny memy ho an’ ny volafotsy, Ny fandrendrehana ho an’ ny volamena, Ary ny toetry ny olona dia tsy maintsy ho araka izay zavatra derainy.
- 22 Na dia miara-totoinao ny fanoto amin’ ny vary eo an-daona aza ny adala, Dia tsy mba hiala aminy tsy akory ny fahadalany.
- 23 Fantaro tsara ny tarehin’ ny ondry aman’ osinao, Ary miahia tsara ny andian’ ny bibinao;
- 24 Fa ny harena tsy ho mandrakizay; Ary moa haharitra ho amin’ ny taranaka rehetra va ny satro-boninahitra?
- 25 Na dia lany aza ny ahitra, ka mitsiry ny solofony, Ary voataona ny zava-maniry any an-tendrombohitra,
- 26 Ny zanak’ ondry dia hahazoanao fitafiana, Ary ny osy hamidinao tany;
- 27 Ary ho ampy hosotroinao ny rononon’ osy Sy ho an’ ny ankohonanao, Ary hisy hiveloman’ ny ankizivavinao.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.