-
Proverbs 29
- 1 Izay olona anarina matetika ka mihamafy hatoka Dia ho torotoro tampoka, ka tsy hisy fahasitranana.
- 2 Raha mihamaro ny marina, dia faly ny vahoaka; Fa raha ny ratsy fanahy no manapaka, dia misento kosa izy.
- 3 Izay tia fahendrena no mahafaly ny rainy; Fa izay misakaiza amin’ ny vehivavy janga dia mandany harena.
- 4 Ny rariny no ampandrian’ ny mpanjaka ny tany; Fa izay mandray tambitamby no mandrava azy kosa.
- 5 Izay olona mandrobo ny namany Dia mamela-pandrika ny tongony.
- 6 Misy fandrika amin’ ny heloky ny olon-dratsy; Fa ny marina mihoby sy mifaly.
- 7 Ny marina mihevitra ny adin’ ny malahelo; Fa ny ratsy fanahy tsy hahalala fahendrena.
- 8 Ny mpaniratsira mampihotakotaka ny tanàna; Fa ny hendry mampionona fahatezerana.
- 9 Raha iadian’ ny hendry ny adala, Dia tezitra sy mihomehy izy, ka tsy hisy fitsaharana.
- 10 Ny olona mpandatsa-drà mankahala ny tsy misy tsiny; Fa ny mahitsy kosa miahy ny ainy.
- 11 Ny fahatezeran’ ny adala dia avoakany avokoa; Fa ny hendry kosa manindry fo.
- 12 Raha mihaino lainga ny mpanapaka, Dia ho ratsy fanahy ny mpanompony rehetra.
- 13 Mihaona ny malahelo sy ny mpampahory; Jehovah no manazava ny mason’ izy roa tonta.
- 14 Izay mpanjaka mitsara marina ny malahelo, Dia haharitra mandrakizay ny seza fiandrianany.
- 15 Ny tsorakazo sy ny anatra no manome fahendrena; Fa ny zaza aranana mampahamenatra ny reniny.
- 16 Raha maro ny ratsy fanahy, dia mitombo ny ota; Fa ny marina ho faly mahita ny fahalavoany.
- 17 Faizo ny zanakao, dia ho famelombelomana ny fonao izy Sy ho fifalian’ ny fanahinao.
- 18 Raha tsy misy fahitana, dia atondraka hanaram-po amin’ izay tsy mety ny olona; Fa raha mitandrina ny lalàna kosa izy, dia sambatra.
- 19 Raha teny fotsiny ihany, dia tsy ampy hananarana ny mpanompo; Fa na dia fantany aza, tsy hankatoaviny.
- 20 Hitanao va ny olona faingam-bava? Ny adala aza misy hantenaina kokoa noho izy.
- 21 Ny mpanompo izay nampihantaina hatry ny fony mbola kely Dia hihambo ho zanaka any am-parany.
- 22 Ny olona mora tezitra manetsika ady; Ary ny olona masiaka dia be fahadisoana.
- 23 Ny fiavonavonan’ ny olona no hampietry azy; Fa hahazo voninahitra kosa ny manetry tena.
- 24 Izay miray tetika amin’ ny mpangalatra dia manary tena; Mandre ny fampianianana izy, nefa tsy mety milaza.
- 25 Mamandrika ny tahotra olona; Fa izay matoky an’ i Jehovah no hovonjena.
- 26 Maro no mila sitraka amin’ ny mpanapaka; Fa avy amin’ i Jehovah ny fitsarana ny olona.
- 27 Ny meloka dia fahavetavetana eo imason’ ny marina; Ary ny mahitsy lalana dia mba fahavetavetana eo imason’ ny ratsy fanahy kosa.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.