-
Proverbs 23
- 1 Raha mipetraka hiara-komana amin’ ny mpanapaka ianao, Dia hevero tsara izay eo anatrehanao,
- 2 Ka andraso antsy ny tendanao, Raha dia liana loatra ianao.
- 3 Aza mitsiriritra ny hanim-piny, Fa hani-mamitaka izany.
- 4 Aza manasa-tena hanan-karena, Aza entina amin’ izany ny fahendrenao.
- 5 Moa hampanarahinao azy va ny masonao, nefa tsy ao intsony izy? Fa maniry elatra tokoa izy Ka manidina toy ny voromahery ho eny amin’ ny lanitra.
- 6 Aza homana ny mofon’ izay ratsy fijery, Ary aza mitsiriritra ny hanim-piny;
- 7 Fa tahaka ny heviny ao am-pony ihany no toetrany: Hoy izy aminao: Mihinàna, misotroa; Kanjo tsy sitrany ianao.
- 8 Izay sombiny kely voatelinao aza dia mbola haloanao, Ka ho very foana ny teny mahafinaritra nataonao.
- 9 Aza miteny amin’ny adala; Fa hohamavoiny foana ny fahendren’ ny teninao.
- 10 Aza manakisaka ny fari-tany ela, Ary aza manitatra mankamin’ ny sahan’ ny kamboty;
- 11 Fa mahery ny Mpanavotra azy, Izy no hisolo vava azy amin’ ny adiny aminao.
- 12 Ampiekeo famaizana ny fonao, Sy tenim-pahalalana ny sofinao.
- 13 Aza tsy manafay zanaka, Fa tsy dia ho faty izy tsy akory na dia asianao ny hazo aza;
- 14 Raha mamely azy amin’ ny hazo ianao, Dia ho voavonjinao tsy ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita ny fanahiny.
- 15 Anaka, raha hendry ny fonao, Dia ho faly koa ny foko, dia ny foko;
- 16 Eny, ho ravoravo ny fanahiko, Raha miteny marina ny molotrao.
- 17 Aoka tsy hialona ny mpanota ny fonao; Fa matahora an’ i Jehovah mandritra ny andro;
- 18 Fa raha mbola hisy koa ny farany, Dia tsy ho foana ny fanantenanao.
- 19 Mihainoa ianao, anaka, ka hendre, Ary ampizory amin’ ny lalana ny fonao.
- 20 Aza misakaiza amin’ izay mpiboboka divay Sy izay fatra-pitia hena;
- 21 Fa halahelo izay mpiboboka sy izay fatra-pitia hena; Ary ny fitiavan-torimaso mampitafy voro-damba.
- 22 Maneke ny rainao izay niteraka anao. Ary aza manamavo ny reninao, saingy efa antitra izy.
- 23 Vidio ny marina, ka aza amidy, Dia ny fahendrena sy ny fananarana ary ny fahazavan-tsaina.
- 24 Hifaly dia hifaly ny rain’ ny marina, Ary izay miteraka zaza hendry hanampifaliana aminy.
- 25 Aoka ho faly ny rainao sy ny reninao, Eny, aoka ho ravoravo ny reninao izay niteraka anao.
- 26 Anaka, atolory ahy ny fonao, Ary aoka ny masonao ho faly mijery ny lalako;
- 27 Fa ny vehivavy jejo dia hady lalina, Ary ny vahiny janga lavaka etỳ;
- 28 Eny, manotrika toy ny jiolahy ireny Ary mahamaro ny olona mpivadika.
- 29 An’ iza ny Indrisy? An’ iza ny Endrey? An’ iza ny fifandirana? An’ iza ny fitolokoana? An’ iza ny ratra tsy ahoan-tsy ahoana? An’ iza ny maso mivoara-mena?
- 30 An’ izay mikikitra amin’ ny divay, Eny, an’ izay mandeha hanandrana divay voaharoharo zavatra.
- 31 Aza mijery ny divay noho ny hamenany Sy ny fanganohanony eo anaty gilasy Ary ny fikoriany mahafinaritra;
- 32 Fa amin’ ny farany dia hanaikitra toy ny bibilava izy Ary hanindrona toy ny menarana.
- 33 Koa ny masonao dia hijery vehivavy jejo, Ary ny fonao hieritreri-dratsy.
- 34 Eny, ho sahala amin’ izay mandry ao amin’ ny ranomasina ianao Sady ho tahaka izay mandry eo an-tendron’ ny andrin-tsambo.
- 35 Nokapohiny aho, hoy ianao, fa tsy reko naharary ahy, Nandalasiny aho, fa tsy tsaroako; Rahoviana ange aho no hifoha mba hitadiavako azy indray?
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.