-
Proverbs 15
- 1 Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy; Fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana.
- 2 Ny lelan’ ny hendry mampiseho fahalalana tsara; Fa ny vavan’ ny adala miboiboika fahadalana.
- 3 Ny mason’ i Jehovah amin’ izao rehetra izao, Mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.
- 4 Ny teny malemy dia hazon’ aina; Fa ny vava ratsy mandratra ny fanahy.
- 5 Ny adala maniratsira ny famaizan-drainy; Fa izay mitandrina ny fananarana no hita ho hendry.
- 6 Ao an-tranon’ ny marina misy harena be; Fa ny fitomboan’ ny haren’ ny ratsy fanahy dia misy loza.
- 7 Ny molotry ny hendry mampiely fahendrena; Fa tsy mba toy izany ny fon’ ny adala.
- 8 Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana eo imason’ i Jehovah; Fa ny fivavaky ny marina no sitrany.
- 9 Fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny lalan’ ny ratsy fanahy; Fa izay fatra-panaraka ny fahamarinana no tiany.
- 10 Famaizana mafy no hihatra amin’ izay mivily lalana. Eny, izay mankahala anatra dia ho faty.
- 11 Ny fiainan-tsi-hita sy ny fandringanana aza dia miharihary eo anatrehan’ i Jehovah, Koa mainka ny fon’ ny zanak’ olombelona!
- 12 Tsy tian’ ny mpaniratsira izay mananatra azy, Ary tsy mety manatona ny hendry izy.
- 13 Ny fo ravoravo mahamiramirana ny tarehy; Fa ny alahelon’ ny fo mahareraka ny fanahy.
- 14 Ny fon’ ny manan-tsaina mitady fahendrena; Fa ny vavan’ ny adala mankamamy ny fahadalana.
- 15 Ratsy avokoa ny andron’ ny ory; Fa ny faharavoravoam-po dia fanasana mandrakariva.
- 16 Aleo ny kely misy ny fahatahorana an’ i Jehovah Toy izay harena be misy ahiahy.
- 17 Aleo sakafo anana ampian-tsetsetra Toy izay omby mifahy asian-dromoromo.
- 18 Izay malaky tezitra manetsika ady; Fa izay mahatsindry fo mampitsahatra fifandirana.
- 19 Ny lalan’ ny malaina dia toy ny fefy tsilo Fa ny lalamben’ ny marina dia voalamina tsara.
- 20 Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; Fa ny adala manao tsinontsinona an-dreniny.
- 21 Ny fahadalana dia fifalian’ ny tsy ampy saina; Fa ny manan-tsaina kosa mizotra mahitsy
- 22 Ho foana ny fikasana, raha tsy misy mpisaina; Fa raha maro ny mpanolo-tsaina, dia tanteraka izany.
- 23 Faly ny olona, raha mahavaly tsara ny vavany, Ary endrey ny hatsaran’ ny teny atao amin’ izay andro mahamety azy!
- 24 Làlan’ aina ho any ambony no alehan’ ny hendry, Hanalavirany ny fiainan-tsi-hita any ambany,
- 25 Ravan’ i Jehovah ny tranon’ ny mpiavonavona; Fa ny fari-tanin’ ny mpitondra-tena aoriny mafy.
- 26 Fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny hevi-dratsy; Fa madio ny teny mahafinaritra.
- 27 Izay fatra-pila harena dia mampidi-doza amin’ ny ankohonany; Fa izay mankahala kolikoly no ho velona.
- 28 Ny fon’ ny marina mihevitra vao mamaly; Fa ny vavan’ ny ratsy fanahy kosa miboiboika faharatsiana.
- 29 Jehovah dia lavitra ny ratsy fanahy; Fa ny fivavaky ny marina no henoiny.
- 30 Ny tarehy miramirana mahafaly ny fo; Ary ny filazan-tsoa mamelombelona ny taolana.
- 31 Ny sofina izay mihaino anatra mahavelona Dia miara-mitoetra amin’ ny hendry.
- 32 Izay mandà anatra dia manary tena; Fa izay mihaino ny fananarana no mahazo fahalalana.
- 33 Ny fahatahorana an’ i Jehovah dia fananarana mampahahendry; Ary ny fanetren-tena mialoha ny fisandratana.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.