-
Proverbs 4
- 1 Ry zanaka, henoy ny anatry ny ray, Ary tandremo mba hahazoanareo ny fahalalana tsara.
- 2 Fa anatra tsara no omeko anareo; Aza mahafoy ny lalàko.
- 3 Fa zanak’ ikaky aho, Sady tiana no hany malala teo imason’ ineny.
- 4 Ary nampianatra ahy izy ka nanao tamiko hoe: Aoka ny fonao hitana ny teniko; Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao.
- 5 Mahazoa fahendrena, mahazoa fahalalana; Fa aza hadinoina na ihemorana ny teny aloaky ny vavako.
- 6 Aza mahafoy azy, fa hiaro anao izy; Tiavo izy, dia hitandrina anao.
- 7 Ny voaloham-pahendrena dia izao: Mahazoa fahendrena; Eny, lanio ny fanananao rehetra hamidy fahalalana tsara.
- 8 Asandrato izy, dia hanandratra anao kosa Eny, hanome voninahitra anao izy, raha tananao.
- 9 Dia hasiany fehiloha mahafinaritra ny lohanao; Eny, satro-boninahitra tsara tarehy no homeny anao.
- 10 Anaka, mihainoa, ka raiso ny teniko; Dia hihamaro ny taona hiainanao.
- 11 Làlam-pahendrena no atoroko anao: Eny, mitarika anao amin’ ny lalana mahitsy aho.
- 12 Raha mandeha ianao, dia tsy ho etỳ ny lalanao; Ary raha mihazakazaka ianao, dia tsy ho tafintohina.
- 13 Tano mafy ny fananarana, ka aza avela hiala; Hazony izy, fa ainao.
- 14 Aza mankany amin’ ny alehan’ ny ratsy fanahy, Ary aza mizotra amin’ ny lalan’ ny ratsy.
- 15 Manalavira azy; aza mandalo eo akory; Mivilia azy, ka mizora.
- 16 Fa tsy matory ireny, raha tsy efa nanao ratsy; Ary tsy mahita torimaso izy, raha tsy efa nanafintohina ny sasany.
- 17 Fa mihinana ny mofon’ ny faharatsiana izy, Sy misotro ny divain’ ny fahalozàna.
- 18 Fa ny lalan’ ny marina dia toy ny fipoak’ andro maraina, Izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ ny andro.
- 19 Ny alehan’ ny ratsy fanahy dia toy ny aizim-pito; Tsy fantany akory izay manafintohina azy.
- 20 Anaka, tandremo ny teniko; Atongilano ny sofinao hihaino ny filazako.
- 21 Aza avela hiala eo imasonao izy, Fa raketo ao am-ponao.
- 22 Fa aina ho an’ ny mahazo azy izy Ary fahasalamana ho an’ ny nofony rehetra.
- 23 Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; Fa avy ao aminy no ihavian’ ny aina.
- 24 Esory aminao ny vava mandainga, Ary ampanalaviro anao ny molotra mamitaka.
- 25 Aoka ny masonao hijery mahitsy, Ary ny hodimasonao hibanjina eo anoloanao.
- 26 Ataovy marina ny alehan’ ny tongotrao, Dia ho voalamina ny alehanao rehetra;
- 27 Aza mivily, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia; Esory amin’ ny ratsy ny tongotrao.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.