-
Genesis 4
- 1 Ary Adama nahalala an’ i Eva vadiny; dia nanan’ anaka Eva ka niteraka an’ i Kaina, ary hoy izy: Efa nahazo zazalahy tamin’ i Jehovah aho.
- 2 Ary niteraka an’ i Abela rahalahiny koa izy. Ary Abela dia mpiandry ondry, fa Kaina kosa mpiasa tany.
- 3 Ary rehefa afaka elaela, dia nitondran’ i Kaina ny vokatry ny tany ho fanatitra ho an’ i Jehovah;
- 4 fa nitondran’ i Abela kosa ny voalohan-terak’ ondriny, dia izay matavy. Ary Jehovah nankasitraka an’ i Abela mbamin’ ny fanatiny;
- 5 fa Kaina mbamin’ ny fanatiny kosa tsy mba nankasitrahany. Dia tezitra indrindra Kaina, sady nanjombona ny tarehiny.
- 6 Ary hoy Jehovah tamin’ i Kaina: Nahoana no tezitra ianao? Ary nahoana no manjombona ny tarehinao?
- 7 Raha tsara toetra ianao, moa tsy ho miramirana va? Fa raha tsy tsara toetra kosa ianao, dia mamitsaka eo am-baravarana ny ota; ary ianao no kendren’ ny faniriany, kanefa ianao no tokony hanapaka azy.
- 8 Ary Kaina niteny tamin’ i Abela rahalahiny; ary nony tany an-tsaha izy mirahalahy, dia nitsangana Kaina nanatona an’ i Abela rahalahiny, ka namono azy.
- 9 Ary hoy Jehovah tamin’ i Kaina: Aiza Abela rahalahinao? Fa hoy izy: Asa; moa mpitandrina ny rahalahiko va aho?
- 10 Ary hoy Izy: Inona no nataonao? Ny feon’ ny ran’ ny rahalahinao mitaraina amiko avy amin’ ny tany.
- 11 Ary ankehitriny dia voaozona ianao hiala amin’ ny tany onenana, izay nivava hitelina ny ran’ ny rahalahinao nalatsaky ny tananao.
- 12 Raha miasa ny tany ianao, tsy mba hahavokatra ho anao intsony izy; ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin’ ny tany ianao.
- 13 Dia hoy Kaina tamin’ i Jehovah: Lehibe ny valin’ ny heloko mihoatra noho izay zakako.
- 14 Indro, efa noroahinao hiala amin’ ny tany onenana aho androany; dia hiery ny tavanao aho ary ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin’ ny tany; koa na iza na iza hahita ahy dia hamono ahy.
- 15 Ary hoy Jehovah taminy: Noho izany na iza na iza hamono an’ i Kaina, dia hovaliana fito eny izy. Ary Jehovah nanao famantarana ho an’ i Kaina; mba tsy hisy hamono azy izay rehetra hahita azy.
- 16 Ary Kaina dia niala teo anatrehan’ i Jehovah ka nonina tao amin’ ny tany Noda tandrifin’ i Edena.
- 17 Ary Kaina nahalala ny vadiny, dia nanan’ anaka ravehivavy ka niteraka an’ i Enoka; ary nanorina vohitra Kaina, ka ny anaran’ ny vohitra dia nataony hoe Enoka, araka ny anaran’ ny zananilahy.
- 18 Ary Enoka niteraka an’ Irada; ary Irada niteraka an’ i Mehojaela; ary Mehojaela niteraka an’ i Metosaela; ary Metosaela niteraka an’ i Lameka.
- 19 Ary Lameka nampirafy roa: ny anaran’ ny anankiray Ada, ary ny anaran’ ny anankiray Zila.
- 20 Ary Ada niteraka an’ i Jabala; izy no rain’ ny mpitoetra an-day, mpiandry omby aman’ ondry.
- 21 Ary ny anaran’ ny rahalahiny dia Jobala; izy no rain’ ny mpitendry lokanga sy mpitsoka sodina rehetra.
- 22 Ary Zila kosa niteraka an’ i Tobala-kaina, mpanefy fiasana maranitra, na varahina na vy; ary ny anabavin’ i Tobala-kaina dia Nama.
- 23 Ary hoy Lameka tamin’ ny vadiny: Ry Ada sy Zila ô, mihainoa ny feoko; Ry vadin’ i Lameka, mitandrema ny teniko: Efa namono lehilahy aho noho ny feriko, Ary tovolahy noho ny faharatrako.
- 24 Raha valiana fito heny izay mamono an’ i Kaina, Dia fito amby fito-polo heny kosa izay mamono an’ i Lameka.
- 25 Ary Adama nahalala ny vadiny indray, ka dia niteraka zazalahy ravehivavy; ary ny anarany nataony hoe Seta; fa Andriamanitra, hoy izy, efa nanome ahy zanaka anankiray koa ho solon’ i Abela, satria novonoin’ i Kaina izy.
- 26 Ary Seta koa niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Enosy.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.