-
Genesis 12
- 1 Ary hoy Jehovah tamin’ i Abrama: Mandehana miala amin’ ny taninao sy ny havanao ary ny tranon’ ny rainao hankany amin’ ny tany izay hasehoko anao;
- 2 dia hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ary ho fitahiana tokoa ianao;
- 3 ary hitahy izay manisy soa anao Aho, fa hanozona izay manozona anao; ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ ny tany.
- 4 Dia nandeha Abrama araka izay efa nolazain’ i Jehovah taminy, ary Lota koa mba niaraka taminy. Ary efa dimy amby fito-polo taona Abrama, raha niala tao Harana izy.
- 5 Ary Abrama nitondra an’ i Saray vadiny sy Lota zana-drahalahiny mbamin’ ny fananan’ izy rehetra izay efa nohariny sy ny olona izay efa azony tao Harana; dia niainga izy ireo hankany amin’ ny tany Kanana, ka tonga tany amin’ ny tany Kanana izy.
- 6 Ary Abrama dia nitety ny tany hatrany Sekema, dia tao an-kazo terebintan’ i More. Ary ny Kananita no tompon-tany tany Kanana fahizay.
- 7 Ary Jehovah niseho tamin’ i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao no homeko ity tany ity. Dia nanorina alitara teo izy ho an’ i Jehovah Izay niseho taminy.
- 8 Ary nifindra niala teo izy hankany amin’ ny tendrombohitra atsinanan’ i Betela ka nanorina ny lainy teo anelanelan’ i Betela tao andrefany sy Ay tao atsinanany; dia nanorina alitara teo koa ho an’ i Jehovah izy ka niantso ny anaran’ i Jehovah.
- 9 Ary nifindra Abrama ka nandroso niandalana ho any amin’ ny tany atsimo.
- 10 Ary nisy mosary teo amin’ ny tany; ary Abrama dia nidina nankany Egypta hivahiny any, fa mafy ny mosary teo amin’ ny tany.
- 11 Ary rehefa nadiva ho tonga tany Egypta izy, dia hoy izy tamin’ i Saray vadiny: Indro, fantatro fa vehivavy tsara tarehy ianao,
- 12 ka, raha hitan’ ny Egyptiana, dia hataony hoe: Vadiny io; ka hovonoiny aho, fa ianao kosa hovelominy.
- 13 Masìna ianao, lazao fa anabaviko ianao, mba hasiany soa aho noho ny aminao, ka ianao no hamelomany ahy.
- 14 Ary rehefa tonga tany Egypta Abrama, dia hitan’ ny Egyptiana fa tsara tarehy indrindra ravehivavy.
- 15 Ary nahita azy ny tandapan’ i Farao ka nidera azy tamin’ i Farao; dia nentina tao an-tranon’ i Farao izy.
- 16 Ary Abrama nasian’ i Farao soa noho ny amin’ i Saray; dia nahazo ondry sy omby sy borikilahy sy andevolahy sy andevovavy sy borikivavy sy rameva izy.
- 17 Dia nasian’ i Jehovah areti-mandoza Farao sy ny ankohonany noho ny amin’ i Saray, vadin’ i Abrama.
- 18 Ary Farao dia nampaka an’ i Abrama ka nanao hoe: Inona izao nataonao tamiko izao? Nahoana no tsy nambaranao tamiko fa vadinao izy?
- 19 Nahoana ianao no nanao hoe: Anabaviko izy? ka nalaiko ho vady izy; koa ankehitriny, indro ny vadinao, ento izy, ka mandehana.
- 20 Dia nomen’ i Farao teny ny mpanompony sasany ny amin’ i Abrama; ary dia nanatitra azy sy ny vadiny mbamin’ ny fananany rehetra ireo.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.