-
Genesis 17
- 1 Ary rehefa sivy amby sivi-folo taona Abrama, dia nisehoan’ i Jehovah izy ka nitenenany hoe: Izaho no Andriamanitra Tsitoha; mandehana eo anatrehako, ka aoka ho tsy misy tsiny ianao.
- 2 Fa Izaho hanao ny fanekeko ho amiko sy ho aminao ary hahamaro anao indrindra.
- 3 Dia niankohoka Abrama; ary Andriamanitra niteny taminy ka nanao hoe:
- 4 Raha ny amiko, dia, indro, aminao ny fanekeko, ka ho tonga rain’ ny firenena maro ianao.
- 5 Ary ny anaranao tsy hatao hoe Abrama intsony, fa hatao hoe Abrahama, satria efa nataoko ho rain’ ny firenena maro ianao.
- 6 Dia hahamaro ny taranakao indrindra Aho, ka hataoko ho firenena maro ianao; ary hisy mpanjaka hiseho avy aminao.
- 7 Ary haoriko ny fanekeko ho amiko sy ho aminao mbamin’ ny taranakao mandimby anao hatramin’ ny taranaka fara mandimby, ho fanekena mandrakizay, mba ho Andriamanitrao sy ny taranakao mandimby anao Aho.
- 8 Ary homeko anao sy ny taranakao any aorianao ny tany fivahinianao, dia ny tany Kanana rehetra, ho fananana mandrakizay; ary ho Andriamaniny Aho.
- 9 Dia hoy Andriamanitra tamin’ i Abrahama: Fa ny aminao kosa, dia hitandrina ny fanekeko ianao, dia ianao sy ny taranakao mandimby anao hatramin’ ny taranaka fara mandimby.
- 10 Ary izao no fanekeko ho amiko sy ho aminareo sy ny taranakao mandimby anao, dia izay hotandremanareo: hoforana ny lehilahy rehetra eo aminareo.
- 11 Dia hoforana ianareo; ary ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho aminareo izany.
- 12 Ny zazalahy teraka havaloana eo aminareo no hoforana, dia ny lehilahy rehetra amin’ ny taranakareo hatramin’ ny fara mandimby: na ny ompikely, na izay novidim-bola tamin’ ny hafa firenena ka tsy avy amin’ ny taranakao.
- 13 Tsy maintsy hoforana ny ompikelinao sy izay novidinao vola; ary ny fanekeko dia ho ao amin’ ny nofonareo ho fanekena mandrakizay.
- 14 Ary ny lehilahy tsy voafora, izay tsy mbola noforana, dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny; efa nivadika ny fanekeko izy.
- 15 Dia hoy Andriamanitra tamin’ i Abrahama: Ny amin’ i Saray vadinao, dia tsy mba hataonao Saray intsony ny anarany, fa Saraha no ho anarany.
- 16 Ary hitahy azy Aho ka hampanana azy zazalahy ho anao; eny, hitahy azy Aho, ka ho tonga firenena maro izy; ary hisy mpanjakan’ ny firenena maro avy aminy.
- 17 Dia niankohoka Abrahama ary nitsiky, dia nanao anakampo hoe: Hiteraka va aho, izay efa zato taona? ary hiteraka va Saraha, izay efa sivi-folo taona?
- 18 Ary hoy Abrahama tamin’ Andriamanitra: Enga anie ka Isimaela no ho velona eo anatrehanao!
- 19 Ary hoy Andriamanitra: Tsia, fa Saraha vadinao hiteraka zazalahy aminao; ary ny anarany dia hataonao hoe Isaka; ary ny fanekeko haoriko aminy ho fanekena mandrakizay ho an’ ny taranany mandimby azy.
- 20 Ary ny amin’ Isimaela, dia efa nihaino anao Aho; indro, efa nitahy azy Aho ka hahamaro ny taranany sy hampitombo azy indrindra; hiteraka andriana roa ambin’ ny folo izy, satria efa notendreko ho firenena lehibe.
- 21 Nefa ny fanekeko haoriko amin’ Isaka, izay haterak’ i Saraha aminao raha avy ny taona toy izao.
- 22 Ary rehefa vita ny teny nataony taminy, dia niakatra Andriamanitra niala teo amin’ i Abrahama.
- 23 Koa dia nalain’ i Abrahama Isimaela zanany sy ny ompikeliny rehetra mbamin’ izay rehetra novidiny vola dia ny lehilahy rehetra tao an-tranony; dia noforany androtrizay indrindra ireo araka izay nolazain’ Andriamanitra taminy.
- 24 Ary efa sivy amby sivi-folo taona Abrahama, raha noforana izy.
- 25 Ary efa telo ambin’ ny folo taona Isimaela zanany, raha noforana izy.
- 26 Androtrizay indrindra no namorana an’ i Abrahama sy Isimaela zanany;
- 27 ary ny lehilahy rehetra tao an-tranony, dia ny ompikely mbamin’ izay novidim-bola tamin’ ny hafa firenena, dia samy niara-noforana taminy avokoa.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.