-
Genesis 33
- 1 Ary Jakoba dia nanopy ny masony ka nahatazana fa indro tamy Esao, mitondra efa-jato lahy. Dia nozarazarainy ny zaza ho amin’ i Lea sy Rahely ary ho amin’ ny ankizivavy roa.
- 2 Ary nataony loha-lalana ny ankizivavy roa sy ny zanany, ary Lea sy ny zanany nanarakaraka, ary Rahely sy Josefa no vodi-lalana.
- 3 Ary Jakoba nandeha teo alohan’ izy rehetra ka niankohoka impito tamin’ ny tany mandra-pahatongany teo akaikin’ ny rahalahiny.
- 4 Dia nihazakazaka hitsena azy Esao, ary nisakambina ny tendany, dia namihina sy nanoroka azy; ary samy nitomany izy mirahalahy.
- 5 Ary Esao nanopy ny masony ka nahita ny zaza amim-behivavy; dia hoy izy: Iza moa ireto miaraka aminao ireto? Ary hoy kosa Jakoba: Ny zaza izay nomen’ Andriamanitra ny mpanomponao noho ny fahasoavany.
- 6 Dia nanatona ny ankizivavy sy ny zanany ka niankohoka.
- 7 Dia nanatona koa Lea sy ny zanany ka niankohoka; ary farany, dia nanatona koa Josefa sy Rahely ka niankohoka.
- 8 Ary hoy Esao: Inona moa no hevitr’ ireny antokony rehetra nifanena tamiko ireny? Ary hoy izy: Mba hahitako fitia eto imason’ itompokolahy.
- 9 Ary dia hoy Esao: Manam-be ihany aho, ry rahalahiko; aoka ihany ho anao ny anao.
- 10 Ary hoy Jakoba: Trarantitra ianao, aza an’ izany; raha mba mahita fitia eto imasonao aho, dia raiso amin’ ny tanako ny zavatra nampanateriko; fa efa nahita ny tavanao aho tahaka ny mahita ny tavan’ Andriamanitra, ary efa sitrakao aho.
- 11 Trarantitra ianao, raiso re ny saotro izay nampanaterina ho anao; fa efa nanisy soa ahy Andriamanitra, ka manam-be aho. Dia nanery azy izy, ka dia noraisiny ihany ny zavatra.
- 12 Ary hoy Esao: Aoka hiainga isika, ka handeha hialoha anao aho.
- 13 Fa hoy Jakoba taminy: Fantatr’ itompokolahy fa mbola osa ny zaza, sady ampianahany ny ondry aman’ osy sy ny omby ato amiko; koa raha hokorodonina indray andro aza ireo, dia ho faty avokoa ny ondry aman’ osy rehetra.
- 14 Trarantitra ianao, aoka itompokolahy hialoha ny mpanompony; ary izaho handeha miadana araka izay dian’ ny omby aman’ ondry, izay ho eo alohako, sy ny dian’ ny zaza, mandra-pahatongako any amin’ itompokolahy any Seïra.
- 15 Ary hoy Esao: Masìna ianao, aoka ary mba hamelako hiaraka aminao ny olona izay momba ahy. Fa hoy Jakoba: Ahoana no anaovanao izany? Aoka hahita fitia eto imason’ itompokolahy aho.
- 16 Dia niverina androtrizay Esao tamin’ ny lalany ho any Seïra.
- 17 Ary Jakoba nifindra nankany Sokota ka nanao trano ho azy ary nanao trano rantsan-kazo maromaro ho an’ ny omby aman’ ondriny; izany no nanaovana ny anaran’ io tany io hoe Sokota.
- 18 Ary Jakoba tonga soa aman-tsara tao an-tanàna Sekema, izay eo amin’ ny tany Kanana, rehefa avy tany Mesopotamia izy; dia nitoby tandrifin’ ny tanàna.
- 19 Dia novidiny vola zato tamin’ ny zanak’ i Hamora, rain’ i Sekema, ny tany izay nanorenany ny lainy.
- 20 Ary nanorina alitara teo izy, ka nataony hoe El-elohe-Isiraely ny anarany.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.