-
Genesis 25
- 1 Ary Abrahama nampaka-bady indray, Ketora no anarany.
- 2 Dia niteraka an’ i Zimrana sy Joksana sy Medana sy Midiana sy Jisbaka ary Soaha tamin’ i Abrahama izy.
- 3 Ary Joksana niteraka an’ i Sheba sy Dedana. Ary ny zanakalahin’ i Dedana dia Asorima sy Letosima ary Leomima.
- 4 Ary ny zanakalahin’ i Midiana dia Efaha sy Efera sy Hanoka sy Abida ary Eldaha. Ireo rehetra ireo no zanak’ i Ketora.
- 5 Dia natolotr’ i Abrahama an’ Isaka izay rehetra nananany.
- 6 Fa ny zanak’ ireo vaditsindranony hafa, izay nananan’ i Abrahama, dia samy notolorany avy ka nampandehaniny, dieny mbola velona izy, hiala amin’ Isaka zanany hiantsinanana ho any amin’ ny tany atsinanana.
- 7 Ary ny andro niainan’ i Abrahama dia dimy amby fito-polo amby zato taona.
- 8 Dia niala aina Abrahama ka maty, rehefa fotsy volo tsara sady lahy antitra ela niainana; dia voangona any amin’ ny razany izy.
- 9 Ary nalevin’ Isaka sy Isimaela zanany izy tao amin’ ny zohy ao Makpela, tao amin’ ny sahan’ i Efrona, zanak’ i Zohara Hetita, izay tandrifin’ i Mamre,
- 10 dia ilay saha izay novinidin’ i Abrahama tamin’ ny taranak’ i Heta; tao no nandevenana an’ i Abrahama sy Saraha vadiny.
- 11 Ary rehefa maty Abrahama, dia notahin’ Andriamanitra Isaka zanany; ary Isaka dia nonina teo akaikin’ i Bera-lahai-roy.
- 12 Ary izao no taranak’ Isimaela, zanakalahin’ i Abrahama izay naterak’ i Hagara, ilay Egyptiana, andevovavin’ i Saraha, tamin’ i Abrahama:
- 13 Izao no anaran’ ny zanakalahin’ Isimaela, araka ny anarany sy araka ny taranany: Nebaiota, lahimatoan’ Isimaela, sy Kedara sy Adbela sy Mibsama
- 14 sy Misma sy Doma sy Masa
- 15 sy Hadada sy Tema sy Jetora sy Nafisy ary Kedema.
- 16 Izy ireo no zanakalahin’ Isimaela, ary ireo no anarany, araka ny vohiny sy ny tobiny, dia andriana roa ambin’ ny folo araka ny fireneny.
- 17 Ary ny andro niainan’ Isimaela dia fito amby telo-polo amby zato taona; ary niala aina izy ka maty, dia voangona any amin’ ny razany.
- 18 Ary ny taranany nonina hatrany Havila ka hatrany Sora, izay tandrifin’ i Egypta amin’ ny lalana mankany Asyria; nifanandrify tamin’ ny rahalahiny rehetra no nitoerany.
- 19 Ary izao no taranak’ Isaka, zanakalahin’ i Abrahama:
- 20 Abrahama niteraka an’ Isaka; ary efa-polo taona Isaka, raha nampakatra an-dRebeka, zanakavavin’ i Betoela Syriana, avy tany Mesopotamia, sady anabavin’ i Labana Syriana.
- 21 Ary Isaka nangataka tamin’ i Jehovah ho an’ ny vadiny, satria momba izy; ary nohenoin’ i Jehovah ny fangatahany, dia nanan’ anaka Rebeka vadiny.
- 22 Ary nifanosika ny zaza kambana tao an-kibony; ary hoy Rebeka: Raha izao, nahoana re aho no dia mbola velona? Dia lasa nanontany tamin’ i Jehovah izy.
- 23 Ary hoy Jehovah taminy: Firenena roa no ao an-kibonao; ary vahoaka roa toko no hisaraka hatrao am-bohokanao; ary ny vahoaka iray toko hahery noho ny iray toko. Ka ny zokiny hanompo ny zandriny.
- 24 Ary rehefa tonga ny andro hahaterahany, indreo, nisy zaza kambana tao an-kibony.
- 25 Dia teraka ny voalohany ka mena, ary tahaka ny kapôty volom-biby ny tenany rehetra; dia nataony hoe Esao ny anarany.
- 26 Ary rehefa afaka izany, dia teraka koa ny rahalahiny, ary ny tànany nihazona ny ombelahin-tongotr’ i Esao, dia nataony hoe Jakoba ny anarany; ary efa enim-polo taona Isaka tamin’ ny niterahana azy mirahalahy.
- 27 Dia nitombo ireo zaza ireo; ary Esao lehilahy nahay nihaza, dia mpianefitra, fa Jakoba kosa lehilahy tsara fanahy sady mpitoetra an-day.
- 28 Ary Isaka tia an’ i Esao, satria nankafy ny hazany; fa Rebeka kosa tia an’ i Jakoba.
- 29 Ary nahandro hanina Jakoba; ary sendra avy tany an-tsaha Esao ka reraka.
- 30 Dia hoy Esao tamin’ i Jakoba: Mba anomezo ahy hohaniko ny mena, dia io mena io, fa reraka aho (izany no nanaovana ny anarany hoe Edoma).
- 31 Fa hoy Jakoba: Amidio amiko ary aloha ny fizokianao.
- 32 Dia hoy kosa Esao: Indro, ho faty ihany aho; ka mahasoa inona izay fizokiana?
- 33 Ary hoy Jakoba: Mianiana ary amiko aloha. Dia nianiana taminy izy; ka dia namidiny tamin’ i Jakoba ny fizokiany.
- 34 Ary Jakoba nanome an’ i Esao mofo sy voanemba masaka; dia nihinana sy nisotro izy, ary niainga ka lasa nandeha. Izany no nanamavoan’ i Esao ny fizokiany.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.