-
Genesis 40
- 1 Ary taorian’ izany ny mpitondra kapoakan’ ny mpanjakan’ i Egypta sy ny mpanao mofony dia diso tamin’ ny mpanjakan’ i Egypta tompony.
- 2 Ary tezitra indrindra tamin’ ireo tandapany roa lahy ireo Farao, dia tamin’ ny lehiben’ ny mpitondra kapoaka sy ny lehiben’ ny mpanao mofo.
- 3 Dia nataony tao an-trano-maizina izy roa lahy, tao an-tranon’ ny mpifehy ny mpiambina, tao anatin’ ny trano-maizina izay nifatoran’ i Josefa.
- 4 Ary Josefa notendren’ ny mpifehy ny mpiambina ho eo amin’ izy roa lahy, dia nanompo ireo izy; ary nitoetra andro maromaro tao amin’ ny trano-maizina izy roa lahy.
- 5 Ary nanonofy izy roa lahy indray alina, dia ilay mpitondra kapoaka sy ilay mpanao mofon’ ny mpanjakan’ i Egypta, izay nifatotra tao amin’ ny trano-maizina, ka samy nanana ny nofiny araka ny hevitry ny nofiny avy.
- 6 Ary Josefa nankao aminy nony maraina ny andro ka nahita azy, fa, indreo, nalahelo tarehy izy.
- 7 Dia nanontanian’ i Josefa ny tandapan’ i Farao izay niara-nifatotra taminy tao an-tranon’ ny tompony, ka hoy izy: Nahoana no malahelo tarehy izato ianareo ankehitriny?
- 8 Ary hoy izy roa lahy taminy: Nanonofy izahay, ka tsy misy mahalaza ny heviny. Dia hoy Josefa taminy: Tsy avy amin’ Andriamanitra va ny filazana ny hevitry ny nofy? Masìna ianareo, lazao amiko izany.
- 9 Dia nambaran’ ny lehiben’ ny mpitondra kapoaka tamin’ i Josefa ny nofiny, ka hoy izy taminy: Nofiko fa indro, hono, nisy tahom-boaloboka teo anatrehako;
- 10 ary ilay tahom-boaloboka nisampana telo, ka nony nitsimoka izy, dia niposaka ny voniny, ary ny sampahony nahavanona voaloboka masaka.
- 11 Ary teny an-tanako ny kapoakan’ i Farao; dia nalaiko ny voaloboka ka nofiazako ho ao amin’ ny kapoakan’ i Farao, dia natolotro teo an-tànan’ i Farao ny Kapoaka.
- 12 Ary hoy Josefa taminy: Izao no heviny: Ny sampany telo dia hateloana.
- 13 Ato anatin’ ny hateloana dia hasandratr’ i Farao ianao ka hampodiny ho ao amin’ ilay nipetrahanao; dia hanolotra ny kapoakan’ i Farao ho eo an-tanany ianao tahaka ilay fanao fahiny, fony ianao mpitondra kapoakany.
- 14 Fa mba tsarovy aho, rehefa mahita soa ianao, ka trarantitra ianao, iantrao aho, dia lazao amin’ i Farao aho, ka avoahy amin’ ity trano ity;
- 15 fa nangalarina mihitsy avy tany amin’ ny tanin’ ny Hebreo aho, ary atỳ koa tsy mba nanao izay tokony ho nanaovany ahy eto amin’ ity lavaka ity aho.
- 16 Ary rehefa hitan’ ny lehiben’ ny mpanao mofo fa tsara ny filazana ny hevitry ny nofy, dia hoy izy tamin’ i Josefa: Izaho koa nanonofy, ka, indro, niloloha karaba telo feno mofo fotsy aho;
- 17 ary teo anatin’ ny karaba ambony indrindra dia nisy ny fihinan’ i Farao samy hafa karazana rehetra fanaon’ ny mpanao mofo; ary nohanin’ ny vorona teo anatin’ ny karaba izay nololohaviko izany.
- 18 Dia namaly Josefa ka nanao hoe: Izao kosa no heviny. Ny karaba telo dia hateloana.
- 19 Ato anatin’ ny hateloana dia hasandratr’ i Farao ho afaka aminao ny lohanao, (ka hahantony amin’ ny hazo ianao) dia hohanin’ ny vorona ny nofonao.
- 20 Ary tamin’ ny andro fahatelo, izay niherenan’ ny taona nahaterahan’ i Farao, dia nanao fanasana ho an’ ny mpanompony rehetra izy; dia nasandrany ny lohan’ ny lehiben’ ny mpitondra kapoaka sy ny lohan’ ny lehiben’ ny mpanao mofo teo amin’ ny mpanompony.
- 21 Ary ny lehiben’ ny mpitondra kapoaka dia nampodiny tamin’ ny fitondrany kapoaka indray, ka dia nanolotra ny kapoaka ho eo an-tànan’ i Farao izy;
- 22 fa ny lehiben’ ny mpanao mofo kosa dia nahantony, araka izay efa nolazain’ i Josefa tamin’ izy roa lahy avy.
- 23 Kanjo tsy mba nahatsiaro an’ i Josefa ilay lehiben’ ny mpitondra kapoaka, fa nanadino azy.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.