-
Isaiah 27
- 1 Amin’ izany andro izany ny sabatr’ i Jehovah, izay mafy sady lehibe no mahery, no ho entiny mamaly ny leviatana, dia ilay menarana mandositra, sy ny leviatana, dia ilay menarana miforoporotra, Ary hovonoiny ilay dragona ao an-dranomasina.
- 2 Amin’ izany andro izany no hihiranareo ny amin’ ny tanim-boaloboka ahazoana divay mahery hoe:
- 3 Izaho Jehovah no mpiaro io; Isaky ny indray mipi-maso no andemako azy, Fandrao misy manimba azy; Na andro na alina dia miaro azy aho.
- 4 Tsy misy fahatezerana ato amiko; Enga anie ka hisy hery sy tsilo eto anatrehako hiadiako. Dia hiroatako ireo ka hodorako avokoa!
- 5 Fa raha tsy izany, dia aoka hifikitra amin’ ny heriko kosa izy ka hihavana amiko; Eny, aoka hihavana amiko izy.
- 6 Amin’ ny andro ho avy dia hamaka tsara Jakoba; Ary Isiraely hamony sy hitsimoka ka hameno izao tontolo izao amin’ ny fahavokarany.
- 7 Moa tahaka ny namelezana izay namely azy va no moa namelezany azy koa? Ary tahaka ny namonoana izay novonoiny va no mba namonoana azy koa?
- 8 Tamin’ ny nandroahany azy dia voafetra no niadiany taminy; Nokororohiny tamin’ ny rivony mahery izy tamin’ ny andron’ ny rivotra avy any atsinanana.
- 9 Ka izao no hamelana ny helok’ i Jakoba, Ary izao ihany no vokatry ny nanesorana ny fahotany, dia amin’ ny anaovany ny vato rehetra amin’ ny alitara ho tahaka ny vato sokay voatorotoro, ary ny Aseraha sy ny tsangan-kazo ho an’ ny masoandro dia tsy hitsangana intsony.
- 10 Fa ho foana ny tanàna mimanda, ka dia ho fonenana afoy sy ilaozana tahaka ny efitra: Ao no hihinanan’ ny zanak’ omby, ary ao no handriany sy handaniany ny rantsan-kazony.
- 11 Raha malazo ny rantsany, dia hotapatapahina, ka ho avy ny vehivavy hitaina azy, satria firenena tsy manam-pahalalana izy, dia tsy hiantra azy ny Mpanao azy, ary tsy hamindra fo aminy ny Mpamorona azy.
- 12 Ary amin’ izany andro izany dia hisy fampihintsanana ataon’ i Jehovah hatramin’ ny ony mandriaka ka hatramin’ ny lohasahan-driak’ i Egypta; Ary ianareo samy hotsimponina tsirairay, ry Zanak’ Isiraely.
- 13 Ary amin’ izany andro izany koa no hitsofana anjomara lehibe, dia ho avy izay very tany amin’ ny tany Asyria sy izay efa voaroaka tany amin’ ny tany Egypta, ka hiankohoka eo anatrehan’ i Jehovah ao amin’ ny tendrombohitra masìna any Jerosalema.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.