-
Isaiah 34
- 1 Manatona, ianareo jentilisa, mba handre; Ary mihainoa, ianareo firenena; Aoka handre ny tany sy ny ao aminy rehetra, Izao tontolo izao sy ny vokatra rehetra avy aminy.
- 2 Fa Jehovah dia tezitra amin’ ny jentilisa rehetra, ary mirehitra amin’ ny miaramilany rehetra ny fahatezerany; Efa nodidiany haringana ireo ary natolony hovonoina.
- 3 Ary izay voavono amin’ ireo dia hariana, ka hamofona ny hamaimbon’ ny fatiny, ary ny tendrombohitra hiempo azon’ ny ràny.
- 4 Izay rehetra eny amin’ ny lanitra dia ho levona, Ary ny lanitra hahorona tahaka ny fangorona taratasy; Ary ny eny aminy rehetra dia halazo tahaka ny fahalazon’ ny ravina mihintsana avy amin’ ny voaloboka, ary tahaka ny ravina malazo mihintsana avy amin’ ny aviavy.
- 5 Fa ny sabatro dia mamon-drà any amin’ ny lanitra; Indro, hidina hihatra amin’ i Edoma iny sy amin’ ny firenena voatendriko haringana, mba ho fitsarana azy.
- 6 Ny sabatr’ i Jehovah feno rà, eny, mihosi-menaka amin’ ny matavy sy amin’ ny ran’ ny zanak’ ondry sy ny osilahy ary amin’ ny fonomboan’ ny ondrilahy; Fa Jehovah mamono zavatra hatao fanatitra ao Bozra Ary mahafaty be ao amin’ ny tany Edoma.
- 7 Ary ny ombimanga miaraka aripaka aminy mbamin’ ny vantotr’ omby sy ny ombilahy, ka dia vonton-drà ny taniny, ary mihosi-menaka ny vovo-taniny.
- 8 Fa Jehovah manana andro famaliana, dia taona famaliana hiadiana ho an’ i Ziona.
- 9 Ary hovana ho tonga dity ny renirano any Edoma, ary ho solifara ny vovo-taniny, ary ny taniny ho dity mirehitra.
- 10 Na alina na andro dia tsy hovonoina izany, ary ny setrony hisavoana mandrakizay; Hatramin’ ny taranaka fara mandimby dia ho tany karankaina izy, tsy hisy handeha hamaky azy intsony mandrakizay mandrakizay.
- 11 Fa ho zara-tanin’ ny sama sy ny sokina izy, ny vorondolo lehibe sy ny goaika dia hitoetra ao; Ary hohenjaniny eo aminy ny famolaina fikorontanana sy ny pilao fahafoanana.
- 12 Ary ny lehibe dia tsy hisy ao intsony hifidy izay hanjaka, fa ho fongana ny mpanapaka rehetra ao aminy.
- 13 Ary ho rakotry ny tsilo ny ao anatin’ ny lapan’ ny mpanjakany, amiana sy voaroy no ho ao amin’ ny trano fiarovany; Ary ho fonenan’ ny amboadia sy fitoeran’ ny ostritsa izy.
- 14 Ny bibi-dia any an-efitra hihaona amin’ ny kary; ary ny osilahy hiantso ny namany; Ary ilay mandehandeha amin’ ny alina hitoetra any ka hahita fitoerana ho azy.
- 15 Ny bibilava miantoratoraka hanao ny lavany any ka hanatody sy hifana ary hikotrika ao amin’ ny alokaloka any; Any koa no hiangonan’ ny papango, samy eo amin’ ny namany avy.
- 16 Izahao ao amin’ ny bokin’ i Jehovah, ka vakio; Tsy misy tsy ao ireo na dia iray akory aza. Tsy misy na dia iray akory aza hitady ny namany; Fa ny vavan’ i Jehovah no nandidy izany, ary ny fanahiny ihany no nanangona azy.
- 17 Ary Izy no efa tinendry anjara ho an’ ireo ary ny tànany no efa nizara izany ho an’ ireo tamin’ ny famolaina; Handova izany mandrakizay ireo ary hitoetra ao hatramin’ ny taranaka fara-mandimby.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.