-
Isaiah 47
- 1 Mialà, ka mipetraha amin’ ny vovoka, ry Babylona, zanakavavy virijina! Mipetraha eo amin’ ny tany, fa tsy amin’ ny seza fiandrianana, ry Kaldea zanakavavy! Fa tsy hatao hoe vehivavy malemilemy sy mihantahanta intsony ianao.
- 2 Alao ny vato fikosoham-bary, ka kosohy ny koba; esory ny fisalobonanao, akaro ny moron-tongotr’ akanjonao; aoka hiseho ny fenao, ka miroboha mita ny ony.
- 3 Hiseho ny fitanjahanao, eny, ho hita ny fahamenaranao; hitondra famaliana Aho ka tsy hiantra olona.
- 4 Ny anaran’ ny Mpanavotra anay dia Jehovah, Tompon’ ny maro, Iray Masin’ ny Isiraely.
- 5 Mipetraha mangingina, ka midìra ao amin’ ny maizina, ry Kaldea zanakavavy! Fa tsy hatao hoe Tompovavin’ ny fanjakana intsony ianao.
- 6 Tezitra tamin’ ny oloko Aho; navelako holotoina ny lovako, ka natolotro ho eo an-tananao izy, tsy mba namindranao fo izy, fa na dia ny antitra aza dia nasianao zioga mavesatra dia mavesatra.
- 7 Ary hoy ianao: Ho tompovavy mandrakizay Aho; ka dia tsy nandatsaka am-po izany zavatra izany ianao, na nitsapa izay hiafarany.
- 8 Koa mihainoa, ianao izay mihantahanta sady mipetraka tsy manana ahiahy ka manao anakampo hoe: Izaho no izy, ary tsy misy hafa; tsy hipetraka ho mpitondratena aho, na hahita fahafoanan’ anaka.
- 9 Kanjo hanjo anao tampoka amin’ ny indray andro monja ireto zavatra roa ireto, dia ny fahafoanan’ anaka sy ny fananoan-tena; Hotanterahina aminao avokoa izany, na dia maro aza ny fankatovanao, ary na dia be dia be aza ny odinao.
- 10 Fa nitoky tamin’ ny faharatsianao ianao ka nanao hoe: Tsy misy mahita ahy. Ny fahendrenao sy ny fahalalanao dia nampivily anao, ka dia nanao anakampo ianao hoe: Izaho no izy, fa tsy misy afa-tsy izaho.
- 11 Kanjo hanjo anao ny fahoriana, nefa tsy ho fantatrao izay fanafany; Ary hahazo anao ny loza, nefa tsy ho hainao ny fanàlany; eny, hanjo anao tampoka ny fandringanana izay tsy ampoizinao.
- 12 Arosoy ary ny odinao sy ny hamaroan’ ny fankatovanao, izay efa nisasaranao hatry ny fony ianao mbola kely; Angamba hahavita izay mahasoa ianao; angamba ho tonga mahatahotra ianao.
- 13 Sasatra noho ny hamaroan’ ny fisainanao ianao; aoka hitsangana ankehitriny ireo mpamantatra ny lanitra sy mpandinika ny kintana ireo hamonjy anao, dia ireo mpanambara isaky ny tsinam-bolana izay zavatra ho tonga aminao.
- 14 Indro, fa ho tahaka ny vodivary ireo; ho main’ ny afo izy ka tsy hahavonjy ny tenany amin’ ny herin’ ny lelafo akory; tsy misy vainafo hamindroana, na afo hitaninana aza.
- 15 Ho toy izany aminao ireo efa nisasaranao ireo, dia ireo nifampivarotra taminao hatry ny fony ianao mbola kely; samy hipariaka mandositra ho any amin’ ny fonenany avy izy, ka tsy hisy hahavonjy anao.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.