-
Isaiah 52
- 1 Mifohaza, mifohaza, tafio ny herinao, ry Ziona ô; tafio ny fitafianao tsara tarehy, ry Jerosalema ô, tanàna masìna; fa tsy hiditra any aminao intsony ny tsy voafora sy ny maloto.
- 2 Ahintsano ny vovoka hiala amin’ ny tenanao, ka mitsangàna, ary mipetraha, ry Jerosalema ô; vahao ny fatorana amin’ ny tendanao, ry Ziona, zanakavavy babo.
- 3 Fa izao no lazain’ i Jehovah: Tsy vola tsy harena no nivarotana anareo, ka dia tsy vola tsy harena koa no hanavotana anareo.
- 4 Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Tany Egypta no nidinan’ ny oloko tamin’ ny voalohany mba hivahiny tany; Ary ny Asyriana koa nampahory azy tsy ahoan-tsy ahoana.
- 5 Ary ankehitriny inona no hataoko eto? hoy Jehovah, fa nobaboina tsy ahoan-tsy ahoana ny oloko; ny mpanapaka azy dia manakora, hoy Jehovah; ary mandrakariva dia hamavoina mandritra ny andro ny anarako.
- 6 Koa ny oloko dia hahalala ny anarako; Eny, amin’ izany andro izany dia ho fantany fa Izaho no miteny hoe: Inty Aho.
- 7 Akory ny hatsaran’ ny tongotr’ iry mitondra teny soa mahafaly erỳ an-tendrombohitra sady mitory fiadanana! Dia izay mitondra teny soa mahafaly sady mitory famonjena, eny, izay manao amin’ i Ziona hoe: Mpanjaka Andriamanitrao!
- 8 Injany ny feon’ ny mpitilinao! Manandratra ny feony izy ka miara-mihoby; fa ho faly izy mahita mifanatri-maso ny hodian’ i Jehovah ho any Ziona.
- 9 Velomy ny hoby, ry fitoeran-drava any Jerosalema; Fa Jehovah efa nampionona ny olony sady efa nanavotra an’ i Jerosalema.
- 10 Jehovah efa nampiseho ny sandriny masìna teo imason’ ny firenena rehetra; ary ny faran’ ny tany rehetra hahita ny famonjen’ Andriamanitsika.
- 11 Mialà, mialà ianareo, mivoaha, aza mikasika izay maloto, mivoaha avy eo aminy; madiova, ianareo izay mitondra ny fanak’ i Jehovah.
- 12 Fa tsy tampoka no hivoahanareo, ary tsy lositra no handehananareo; fa Jehovah no hitarika anareo eo aloha, ary Andriamanitry ny Isiraely no ho vodi-lalanareo.
- 13 Indro, ny Mpanompoko ho hita ho hendry, hisandratra sy ho ambony Izy ka ho avo indrindra.
- 14 Fa toy ny nigagan’ ny maro Anao (Ny tarehiny dia simba ka hoatra ny tsy tarehin’ olombelona akory, ary ny endriny hoatra ny tsy endriky ny zanak’ olombelona),
- 15 Dia toy izany no hampihendratrendratany ny firenena maro; ny mpanjaka hitampim-bava aminy; fa izay tsy mbola nolazaina tamin’ ireny no ho hitany, ary izay tsy mbola reny akory no hosaintsaininy.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.