-
Isaiah 57
- 1 Maty ny marina, nefa tsy misy misaina izany, ary alaina ny olona tsara fanahy, nefa tsy misy mihevitra fa ny marina dia alaina tsy ho azon’ ny loza hanjo.
- 2 Miditra amin’ ny fiadanana izy, mandry amin’ ny fandriany avy izy, dia izay rehetra mizotra amin’ ny hitsiny.
- 3 Fa ianareo kosa dia mankanesa etỳ, ry zanaky ny mpanandro, ianareo taranaky ny mpaka vadin’ olona sy ny mpijangajanga.
- 4 Iza no ihomehezanareo? Iza no isanasananareo vava sy itrangatranganareo lela? Tsy taranaky ny fiodinana va ianareo sady taranaky ny lainga?
- 5 Dia ianareo izay mahamaimay ny fonareo amin’ ny hazo terebinta eny ambanin’ ny hazo maitso rehetra, ka mamono zaza eny an-dohasahan-driaka eny ambanin’ ny tsefatsefaky ny harambato.
- 6 Ao amin’ ny vato kilonjy any an-dohasahan-driaka no anjaranao, eny, ireny ihany no anjaranao; ireny koa no nanidinanao fanatitra aidina sy nanateranao fanatitra hohanina. Hahatsindry fo amin’ izany va Aho?
- 7 Teo an-tampon’ ny tendrombohitra avo sy manerinerina no nametrahanao ny fandrianao, ka tany no niakaranao hamono zavatra natao fanatitra.
- 8 Teo ivohon’ ny varavarana sy ny tolam-baravarana no nametrahanao ny fampahatsiarovana anao; fa lavitra Ahy no nitanjahanao sy niakaranao, eny, nataonao malalaka ny fandrianao, ary nanao fanekena ny amin’ izay hataon’ ireny ianao; tia ny fandriana aminy ianao ka nizaha toerana ho anao.
- 9 Dia nivezivezy nankany amin’ ny mpanjaka ianao nitondra diloilo, ary nataonao betsaka ny zava-manitrao, sady nampandehanina hatrany lavitra any ny irakao, ka nidina hatrany amin’ ny fiainan-tsi-hita ianao.
- 10 Noho ny halavitry ny nalehanao dia sasatra ianao, nefa ianao tsy niteny hoe: kivy aho izany! Nahazo aina ny tananao, ka dia tsy nahatsiaro reraka ianao.
- 11 Ary iza no nahinao sy natahoranao, no dia nandainga ianao ka tsy nahatsiaro ahy na nandatsaka am-po? Moa tsy efa nangina va Aho hatrizay hatrizay? Ka dia tsy natahotra Ahy ianao.
- 12 Izaho no hanambara ny fahamarinanao ary ny asanao dia tsy hahasoa anao.
- 13 Raha mitaraina ianao, dia aoka ireo maronao no hamonjy anao, nefa hongahan’ ny rivotra avokoa ireo sy ho lasan’ ny tso-drivotra malemilemy aza; Fa izay mialoka amiko kosa no hanana ny tany sy handova ny tendrombohitro masìna.
- 14 Ary Izy hilaza hoe: Manandrata, eny, manandrata ka manamboara lalana, esory izay mahatafintohina eny amin’ ny alehan’ ny oloko.
- 15 Fa izao no lazain’ ny Iray avo sy manerinerina, izay monina mandrakizay, masìna no anarany: Ao amin’ ny fitoerana avo sy masìna no onenako, ary ao amin’ ny torotoro fo sy ny manetry tena, hamelombelona ny fanahin’ ny manetry tena sy hamelombelona ny fon’ ny torotoro fo;
- 16 Fa tsy hifandahatra mandrakariva Aho ary tsy ho tezitra mandrakizay; Fandrao ho reraka eo anatrehako ny fanahy, dia ny aina izay nataoko.
- 17 Ny helony noho ny fieremany no nahatezitra Ahy ka namelezako azy; fa niery Aho, satria tezitra, nefa niodina izy ka mbola nandroso tamin’ ny lalana tian’ ny fony ihany.
- 18 Efa nahita ny lalany Aho, nefa hahasitrana azy ihany, dia hitari-dalana azy Aho ka hampody ny fiononana ho aminy sy ho amin’ ny malahelo ao aminy,
- 19 Dia Izaho Izay mahary ny vokatry ny molotra: Fiadanana, fiadanana ho an’ izay lavitra sy ho an’ izay akaiky! hoy Jehovah, ka dia hahasitrana azy Aho.
- 20 Fa ny ratsy fanahy dia tahaka ny ranomasina misamboaravoara, eny, tsy mety tafatoetra izy, ka ny ranony dia mamoaka loto sy fotaka.
- 21 Tsy misy fiadanana ho an’ ny ratsy fanahy, hoy Andriamanitro.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.