-
Ezekiel 6
- 1 Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
- 2 Ry zanak’ olona, manandrifia ny tendrombohitry ny Isiraely, ary maminania ny hamelezana azy,
- 3 ka ataovy hoe: Ry tendrombohitry ny Isiraely ô. Mihainoa ny tenin’ i Jehovah Tompo: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo amin’ ny tendrombohitra sy ny havoana, ary ny lohasahan-driaka sy ny lohasaha: Indro, Izaho no hahatonga sabatra hamely anareo, ary horavako ny fitoerana avonareo.
- 4 Ary hokoroina ny alitaranareo, ary hosimbana ny tsangan-kazonareo ho an’ ny masoandro; ary hataoko mitsitra eo anoloan’ ny sampinareo ny fatinareo;
- 5 Ary ny fatin’ ny zanak’ Isiraely hataoko eo anoloan’ ny sampiny; Ary ny taolanareo dia haeliko eny manodidina ny alitaranareo eny.
- 6 Any amin’ ny fonenanareo rehetra dia ho lao ny tanàna, Ary ho rava ny fitoerana avo, mba ho rava sy lao koa ny alitaranareo, dia hotapatapahina sy hofoanana ny sampinareo, ary hokapaina ny tsangan-kazonareo ho an’ ny masoandro, Ka dia holevonina ny asanareo.
- 7 Ary hisy faty hiampatrampatra eo aminareo; Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
- 8 Nefa hamelako hisy sisa ihany ianareo, fa hisy ho afaka amin’ ny sabatra any amin’ ny jentilisa, Rehefa voaely ho any amin’ ny tany samy hafa ianareo.
- 9 Ary izay afaka aminareo dia hahatsiaro Ahy any amin’ ny jentilisa izay hitondrana azy ho babo, rehefa voatorotoroko ny fony mijangajanga, izay efa niala tamiko, sy ny masony, izay mijangajanga manaraka ny sampiny, ary haharikoriko azy ny tenany noho ny ratsy izay efa nataony, dia ny fahavetavetany rehetra;
- 10 Ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, ary tsy foana ny nilazako fa hahatonga izany loza izany aminy Aho.
- 11 Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Mameleza amin’ ny tananao ianao, ary mitotoa amin’ ny tongotrao, ka manaova hoe: Indrisy! ny fahavetavetana ratsy rehetra ataon’ ny taranak’ Isiraely, izay ho lavon’ ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana!
- 12 Ny lavitra ho fatin’ ny areti-mandringana, ny akaiky ho lavon’ ny sabatra, ary izay sisa sy izay voaro dia ho faty mosary; Ka dia hotanterahiko aminy ny fahatezerako.
- 13 Dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, Rehefa miampatrampatra eny amin’ ny sampy manodidina ny alitarany ny voavono ao aminy, eny amin’ ny havoana andrandraina rehetra, eny amin’ ny tendrombohitra rehetra sy eny ambanin’ ny hazo maitso rehetra sy eny ambanin’ ny terebinta misandrahaka rehetra, dia eny amin’ izay efa nanaterany hanitra ankasitrahana tamin’ ny sampiny rehetra;
- 14 Hahinjitro aminy ny tanako, ary ny tany any amin’ ny fonenany rehetra dia hataoko lao sy foana mihoatra noho ny efitr’ i Dibla; Ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.