-
Ezekiel 4
- 1 Ary ianao, ry zanak’ olona, makà kapila tanimanga, ary apetraho eo anoloanao, dia manorata sarin-tanàna eo aminy, dia sarin’ i Jerosalema;
- 2 ary ataovy fahirano izy, ka manaova tilikambo hamelezana azy, ary manandrata tovon-tany manodidina azy; ary asio toby hamelezana azy, ary asio lohondry vy fandravana manodidina azy.
- 3 Ary makà lapoely, ka ataovy manda vy eo anelanelanao sy ny tanàna, dia banjino tsara io, ary aoka hatao fahirano, eny, aoka hataonao fahirano io. Famantarana ho amin’ ny taranak’ Isiraely izany.
- 4 Ary ataovy ambany mandry ny ilanao ankavia, ka ataovy eo aminy ny fahotan’ ny taranak’ Isiraely; koa araka ny isan’ ny andro handrianao toy izany no hitondranao ny helony.
- 5 Fa Izaho dia manao fetr’ andro ho anao mitovy amin’ ny taonan’ ny helony, dia sivi-folo amby telon-jato andro, ka ho entinao ny heloky ny taranak’ Isiraely.
- 6 Ary rehefa tapitrao ireo, dia ataovy ambany mandry kosa ny ilanao ankavanana, ary aoka hitondra ny heloky ny taranak’ i Joda efa-polo andro ianao; ny indray andro no nataoko solon’ ny herintaona ho anao.
- 7 Dia banjino tsara io fahirano an’ i Jerosalema io, ary aoka hiseho sandry ianao ka haminany hamely azy.
- 8 Ary, indro, hafatotro ianao ka tsy hahavadi-mandry ambara-pahatapitrao ny andron’ ny fahiranonao.
- 9 Ary mangalà vary tritika sy vary hordea sy tsaramaso sy voanemba sy ampemby sy spelta ianao, ary ataovy am-bilia iray ireo, ka anaovy mofo ho anao; araka ny isan’ ny andro izay handrianao amin’ ny ilanao, dia sivi-folo amby telon-jato andro, no hihinananao azy.
- 10 Ary an-danjany no hihinananao ny haninao, dia roa-polo sekely isan’ andro; asio elanelany ny fihinanao azy.
- 11 Ary rano afàtra no hosotroinao, dia ampahenin’ ny hina; asio elanelany koa ny fisotronao azy.
- 12 Ary hatao toy ny mofo vary hordea no ho fihinanao azy, ary diky no hataonao kitay hanendasanao azy eo imasony.
- 13 Ary hoy Jehovah: Toy izany no hihinanan’ ny zanak’ Isiraely ny mofony voaloto any amin’ ny firenena izay handroahako azy.
- 14 Dia hoy izaho: Indrisy Jehovah Tompo ô, indro tsy voaloto ny fanahiko; fa hatry ny fony aho mbola tanora ka mandraka ankehitriny dia tsy mba nihinana izay fatin-javatra na izay noviraviraim-biby akory aho; ary tsy mbola nikasika ny vavako akory izay nofo fahavetavetana.
- 15 Dia hoy Izy tamiko: Indro, tain’ omby no omeko anao hisolo ny dity, ka izany no hataonao kitay hanendasanao ny mofonao.
- 16 Ary hoy koa Izy tamiko: Ry zanak’ olona, indro, hotapahiko any Jerosalema ny mofo, tohan’ aina, ka an-danjany amin’ ny fanahiana no hihinanany mofo; ary rano afàtra no hosotroiny amin’ ny fahatahorana.
- 17 Ka dia ho mosare-mofo sy rano izy, ary samy ho raiki-tahotra sady hihalevona noho ny helony.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.