-
Ezekiel 48
- 1 Ary izao no anaran’ ny firenena: Hatramin’ ny farany avaratra any amoron-dranomasina amin’ ny lalana mankany Hetlona any akaikin’ i Hamata sy Hazar-enana, fari-tanin’ i Damaskosy eo avaratra, any anilan’ i Hamata; izany no ho lafiny atsinanana sy andrefana; anjara iray ho an’ i Dana.
- 2 Ary mifanolotra amin’ ny fari-tanin’ i Dana hatrany atsinanana ka hatrany andrefana dia iray koa ho an’ i Asera.
- 3 Ary mifanolotra amin’ ny fari-tanin’ i Asera, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana dia iray koa ho an’ i Naftaly.
- 4 Ary mifanolotra amin’ ny faritanin’ i Naftaly, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an’ i Manase,
- 5 Ary mifanolotra amin’ ny fari-tanin’ i Manase, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an’ i Efraima.
- 6 Ary mifanolotra amin’ ny fari-tanin’ i Efraima, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an? i Robena.
- 7 Ary mifanolotra amin’ ny fari-tanin’ i Robena, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an’ i Joda.
- 8 Ary mifanolotra amin’ ny faritanin’ i Joda, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, no hisian’ ilay tany hatokanareo, indimy arivo amby roa alin’ ny volotara ny sakany, ary ny lavany mitovy amin’ ny anjaran’ ny sasany hatrany atsinanana ka hatrany andrefana; ary ny fitoerana masìna no ho eo afovoany.
- 9 Ny tany izay hatokanareo ho an’ i Jehovah, dia dimy arivo amby roa alina ny lavany, ary iray alina ny sakany.
- 10 Ary ho an’ ny mpisorona izany tany masìna voatokana izany, dimy arivo amby roa alina ny lavany avaratra, ary iray alina ny sakany andrefana, ary iray alina ny sakany atsinanana, ary dimy arivo amby roa alina ny lavany atsimo; ary ny fitoerana masin’ i Jehovah no ho eo afovoany.
- 11 Ho an’ ny mpisorona izay nohamasinina avy amin’ ny taranak’ i zadota izany, dia ireo nitandrina ny nasaiko notandrenam ka tsy nivily tamin’ ny nivilian’ ny zanak’ Isiraely, tahaka ny nivilian’ ny Levita,
- 12 eny, ho azy izany ho tany halaina amin’ ilay efa voatokana, dia zavatra masìna indrindra, mifanolotra amin’ ny faritanin’ ny Levita.
- 13 Ary ny Levita koa dia hahazo ny mifanolotra amin’ ny fari-tanin’ ny mpisorona, dia dimy arivo amby roa alina ny lavany, ary iray alina ny sakany, eny, samy dimy arivo amby roa alina ny lavany, sy iray alina ny sakany.
- 14 Ary tsy ho azony hamidy izany, na hatakalo, ary tsy hafindrany ny voaloham-bokatra amin’ ny tany; fa masìna ho an’ i Jehovah izany.
- 15 Ary ny dimy arivo, ilay navela tamin’ ny sakany mifanolotra amin’ ny dimy arivo amby roa alina, dia tsy masìna, fa ho an’ ny tanàna, ho fonenana sy ho tany fiandrasana; ary ny tanàna no ho ao afovoany.
- 16 Ary izao no ohany: Ny avaratra ho dinan-jato amby efatra arivo, ary ny atsimo ho diman-jato amby efatra arivo, ary ny atsinanana ho diman-jato amby efatra arivo, ary ny andrefana ho diman-jato amby efatra arivo.
- 17 Ary ny amin’ ny tany fiandrasana momba ny tanàna, ny eo amin’ ny avaratra dia ho dimam-polo amby roan-jato, ary ny eo amin’ ny atsinanana dia ho dimam-polo amby roan-jato, ary ny eo amin’ ny andrefana dia ho dimam-polo amby roan-jato.
- 18 Ary ny lavany sisa mifanolotra amin’ ny anjara masìna voatokana dia iray alina atsinanana ary iray alina andrefana, ary hifanolotra amin’ ny anjara masìna voatokana izany; ary ny vokany hohanin’ ny mpiasa ao an-tanàna.
- 19 Ary izay mpiasa ao an-tanàna avy amin’ ny firenen’ Isiraely rehetra no hiasa azy.
- 20 Ny tany voatokana rehetra dia dimy arivo amby roa alina sokera; ny ampahefatry ny anjara masìna voatokana dia halainareo ho zara-tany momba ny tanàna.
- 21 Ary ho an’ ny mpanjaka ny sisa an-daniny roa amin’ ny anjara masìna voatokana sy ny zara-tany momba ny tanàna; mifanolotra amin’ ny dimy arivo amby roa alina amin’ ny anjara voatokana hatramin’ ny fari-tany atsinanana, ary mifanolotra amin’ ny dimy arivo amby roa alina hatramin’ ny fari-tany andrefana, mifanolotra amin’ ireo anjaran’ ny sasany, ho an’ ny mpanjaka izany; ary ny anjara masìna voatokana sy ny trano fitoerana masìna no ho eo aforoany.
- 22 Ary hatramin’ ny zara-tanin’ ny Levita sy ny zara-tany momba ny tanàna, sy ao ampovoan’ ny an’ ny mpanjaka, anelanelan’ ny fari-tanin’ i Jada sy Benjamina, dia ho an’ ny mpanjaka izany.
- 23 Ary ny amin’ ny firenena sisa, dia hatramin’ ny lafiny atsinanana ka hatramin’ ny andrefana, dia hisy anjara iray ho an’ i Benjamina.
- 24 Ary mifanolotra amin’ ny faritanin’ i Benjamina, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an’ i Simeona.
- 25 Ary mifanolotra amin’ ny faritanin’ i Simeona, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an’ Isakara.
- 26 Ary mifanolotra amin’ ny faritanin’ Isakara, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an’ i Zebolona.
- 27 Ary mifanolotra amin’ ny faritanin’ i Zebolona, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an’ i Gada.
- 28 Ary mifanolotra amin’ ny faritanin’ i Gada, amin’ ny lafiny atsimo, dia hatrany Tamara sy ny ranon’ i Meriba any Kadesy sy ny lohasahan-driaka ka hatramin’ ny Ranomasina Lehibe.
- 29 Izany no tany hozarainareo amin’ ny filokana ho an’ ny firenen’ Isiraely ho lovany, ary izany no ho anjarany ary, hoy Jehovah Tompo.
- 30 Ary izao no ohatry ny tanàna amin’ ny lafiny avaratra: diman-jato amby efatra arivo.
- 31 Ary ny anaran’ ny vavahady dia ho toy ny anaran’ ny firenen’ Isiraely: ny vavahady telo avaratra, dia vavahadin’ i Robena ny iray vavahadin’ i Joda ny iray, vavahadin’ i Levy ny iray.
- 32 Ary amin’ ny atsinanana dimanjato amby efatra arivo; ary ny vavahady telo, dia vavahadin’ i Josefa ny iray, vavahadin’ i Benjamina ny iray, ary vavahadin’ i Dana ny iray.
- 33 Ary amin’ ny atsimo diman-jato amby efatra arivo ohatra, ary ny vavahady telo, dia vavahadin’ i Simeona ny iray, vavahadin’ Isakara ny iray, vavahadin’ i Zebolona ny iray.
- 34 Ary amin’ ny andrefana dimanjato amby efatra arivo sy vavahady telo, dia vavahadin’ i Gada ny iray, vavahadin’ i Asera ny iray, vavahadin’ i Naftaly ny iray.
- 35 Valo arivo amby iray alina ny manodidina. Ary ny anaran’ ny tanàna hatramin’ izay andro izay dia Jehovah no ao.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.