-
Ezekiel 8
- 1 Ary tamin’ ny andro fahadimy tamin’ ny volana fahenina tamin’ ny taona fahenina, raha nipetraka tao an-tranoko aho, ary nipetraka teo anatrehako ny loholon’ ny Joda, dia nilatsaka tamiko ny tànan’ i Jehovah Tompo.
- 2 Ary hitako fa, indro, nisy nitarehin’ afo; hatramin’ ny valahany no ho midìna dia afo; ary hatramin’ ny valahany no ho miakatra kosa dia nitarehin-java-mamirapiratra dia toy ny volon’ ny metaly mamirapiratra.
- 3 Ary nisy nitarehin-tanana nahinjiny, ka noraisiny tamin’ ny voloko aho, dia nisy fanahy nanainga ahy ho eny anelanelan’ ny tany sy ny lanitra ka nitondra ahy ho any Jerosalema tamin’ ny fahitana avy amin’ Andriamanitra, ho eo amin’ ny vavahadin’ ny kianja anatiny, izay manatrika ny avaratra, dia ilay nisy ny sarin-javatra fampahasaro-piaro, dia ilay mampahasaro-piaro.
- 4 Ary, indro, teo ny voninahitr’ Andriamanitry ny Isiraely tahaka ilay fahitana efa hitako teo amin’ ny lohasaha.
- 5 Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak’ olona, atopazy kely amin’ ny lalana mianavaratra ny masonao. Dia natopiko tamin’ ny lalana mianavaratra ny masoko ka, indro, eny avaratry ny vavahadin’ ny alitara no nisy ilay sarin-javatra fampahasaro-piaro teo amin’ ny fidirana.
- 6 Dia hoy koa Izy tamiko: Ry zanak’ olona, hitanao va izay ataon’ ireo, dia ny fahavetavetana lehibe izay ataon’ ny taranak’ Isiraely eto ka mampanalavitra Ahy amin’ ny fitoerako masìna? Mbola hahita fahavetavetana lehibe koa ianao.
- 7 Dia nentiny ho eo amin’ ny vavahadin’ ny kianja aho; ary hitako fa, indro, nisy loaka teo amin’ ny ampiantany.
- 8 Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak’ olona, loahy ny ampiantany; dia noloahako ny ampiantany ka, indro, nisy varavarana.
- 9 Ary hoy Izy tamiko: Midìra, ka jereo ny fahavetavetana lehibe ataony eto.
- 10 Dia niditra aho ka nahita, ary indreo, nisy sarin’ ny biby mandady sy mikisaka rehetra sy ny biby hafa, dia izay fahavetavetana, sy ny sampy rehetra an’ ny taranak’ Isiraely, voasoratra teo amin’ ny rindrina manodidina.
- 11 Ary nisy olona fito-polo lahy, isan’ ny loholon’ ny taranak’ Isiraely, nitsangana teo anoloan’ ireo, ary Jazania, zanak’ i Safana, nitsangana teo afovoany, samy nitondra ny loviany fandoroana ditin-kazo manitra teny an-tànany avy, ary ny setroky ny ditin-kazo manitra dia nidonata.
- 12 Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak’ olona efa hitanao va ny ataon’ ny loholon’ ny taranak’ Isiraely amin’ ny maizina, dia samy ao amin’ ny efi-tranony misy sary? Fa hoy izy: Jehovah tsy mahita anay; efa nahafoy ny tany Izy.
- 13 Ary hoy koa Izy tamiko: Mbola hahita fahavetavetana lehibe izay ataony koa ianao.
- 14 Dia nentiny ho eo anoloan’ ny vavahadin’ ny tranon’ i Jehovah, izay manatrika ny avaratra aho; ary, indreo, nisy vehivavy nipetraka teo, nitomany an’ i Tamoza.
- 15 Dia hoy Izy tamiko: Hitanao va izany ry zanak’ olona? Mbola hahita fahavetavetana lehibe noho ireto koa ianao.
- 16 Dia nentiny ho eo amin’ ny kianja anatiny amin’ ny tranon’ i Jehovah aho, ary, indro, teo am-baravaran’ ny tempolin’ i Jehovah, dia teo anelanelan’ ny lavarangana fidirana sy ny alitara, dia nisy tokony ho dimy amby roa-polo lahy niamboho ny tempolin’ i Jehovah ka nanatrika ny atsinanana; ary ireo dia niankohoka manandrify ny masoandro, nanatrika ny atsinanana.
- 17 Dia hoy Izy tamiko: Hitanao va izany, ry zanak’ olona? Moa ataon’ ny taranak’ i Joda ho kely loatra va ny nanaovany ny fahavetavetana izay ataony eto, no fenoiny fampahoriana koa ny tany, ka mampahatezitra Ahy lalandava izy; ary indro izy nanainga ny rantsan-kazo ho amin’ ny orony.
- 18 Ary Izaho kosa dia hamely amin’ ny fahatezerako; tsy hiantra ny masoko, sady tsy hamindra fo Aho; ary na dia mitaraina mafy eo an-tsofiko aza izy, dia tsy hihaino azy Aho.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.