-
Ezekiel 29
- 1 Tamin’ ny andro faharoa ambin’ ny folo tamin’ ny volana fahafolo tamin’ ny taona fahafolo dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
- 2 Ry zanak’ olona, manandrifia an’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, ka maminania ny hamelezana azy mbamin’ i Egypta rehetra.
- 3 Mitenena, ka ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely anao Aho, ry Farao, mpanjakan’ i Egypta, ilay dragona makadiry mamitsaka ao amin’ ny Neiliny, dia ilay efa nanao hoe: Ahy ny Neiliko, fa izaho no namorona azy ho an’ ny tenako.
- 4 Ary hasiako farango ny valanoranonao, sady hampiraiketiko amin’ ny kiranao ny hazandrano ao amin’ ny Neilinao, dia hampiakariko avy eo afovoan’ ny Neilinao ianao, ary ny hazandrano rehetra amin’ ny Neilinao dia hiraikitra amin’ ny kiranao.
- 5 Ary hariako any an-efitra ianao, dia ianao sy ny hazandrano rehetra avy amin’ ny Neilinao; hitsitsitra eny an-tanety ianao ka tsy hovorina na hangonina; Efa nomeko hohanin’ ny bibi-dia sy ny voro-manidina ianao.
- 6 dia ho fantatry ny mponina rehetra any Egypta fa Izaho no Jehovah, satria efa tehina volotara ho an’ ny taranak’ Isiraely izy.
- 7 (Nony mandray anao amin’ ny tànany izy, dia folaka ianao, ka voatsindronao ny helik’ izy rehetra; Ary nony mitehina aminao izy, dia tapaka ianao ka mampilefidefitra ny valahan’ izy rehetra.)
- 8 Dia izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, hahatonga sabatra hamely anao Aho, ka hofongorako tsy ho aminao ny olona sy ny biby.
- 9 Ary ny tany Egypta ho rava sy lao; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah. Satria hoy izy: Ahy Neily, ary izaho no nanao azy,
- 10 Dia, indro, avy hamely anao sy ny Neilinao Aho, ary ny tany Egypta hataoko lao tokoa, eny, sady ho lao no ho rava, hatrany Migdola ka hatrany Syena, dia hatramin’ ny sisin’ i Etiopia.
- 11 Tsy hodiavin-tongotr’ olona ny tany, ary ny tongo-biby aza tsy handia azy, sady tsy honenana efa-polo taona izy.
- 12 Ary hataoko tany rava dia rava ny tany Egypta, ary ho lao dia ho lao efa-polo taona ny tanànany; Eny, haeliko ho any amin’ ny firenena samy hafa ny Egyptiana, ary hahahako any amin’ ny tany samy hafa.
- 13 Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Rehefa afaka efa-polo taona, dia hangoniko avy any amin’ ny firenena izay nielezany ny Egyptiana:
- 14 Ary haveriko avy amin’ ny fahababoany izy, ka hampodiko any amin’ ny tany Patrosa, tany nihaviany, izy; Ary ho fanjakana ambany Egypta;
- 15 Eny, ho ambany noho ny fanjakana hafa izy ka tsy hisandratra ambonin’ ny firenena hafa intsony; Fa hohakeleziko izy ka tsy hampanompo ny firenena intsony.
- 16 Dia tsy ho tokin’ ny taranak’ Isiraely intsony izy ho fampahatsiarovana ny helony amin’ ny andehanan’ ireo hanaraka azy; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah Tompo.
- 17 Ary tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana voalohany tamin’ ny taona fahafito amby roa-polo dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
- 18 Ry zanak’ olona, mafy ny fanompoana izay nampanaovin’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, ny miaramilany tamin’ ny namelezany an’ i Tyro, ka efa samy tonga sola avokoa ny lohany, sady niendaka ny sorony, nefa tsy nahazo karama avy tany Tyro izy sy ny miaramilany noho ny fanompoana izay nataony tamin’ ny namelezany azy.
- 19 Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, homeko an’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, ny tany Egypta, dia halainy ny hareny, ary hobaboiny izay hita ao, ka hataony sambotra izay azo ao, koa izany no ho karaman’ ny miaramilany.
- 20 Ho valin’ ny fanompoana nataony tany Tyro no nanomezako azy ny tany Egypta, satria nataony ho Ahy izany, hoy Jehovah Tompo.
- 21 Amin’ izany andro izany dia hampitsimoka tandroka ho an’ ny taranak’ Isiraely Aho, ary hampiloahiko vava eo aminy ianao; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.