-
Numbers 6
- 1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
- 2 Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy mivoady hitokana ho Nazirita mba hitokana ho an’ i Jehovah,
- 3 dia hifady divay sy toaka izy; tsy hisotro divay efa maharikivy na toaka efa maharikivy izy, ary tsy hisotro ranom-boaloboka izy, na hihinana voaloboka akory, na ny lena, na ny maina.
- 4 Amin’ ny andro fitokanany rehetra dia tsy hihinana izay atao amin’ ny voaloboka hatramin’ ny voany ka hatramin’ ny hodiny izy.
- 5 Amin’ ny andro rehetra izay nivoadiany hitokana dia tsy hokasihin-kareza ny lohany; mandra-pahatapitry ny andro izay nitokanany ho an’ i Jehovah dia ho masìna izy, ka havelany haniry ny volondohany.
- 6 Amin’ ny andro rehetra izay itokanany ho an’ i Jehovah dia tsy hiditra am-paty izy;
- 7 aoka tsy handoto tena izy na dia amin’ ny rainy, na ny reniny, na ny rahalahiny, na ny anabaviny aza, raha maty ireo, satria eo amin’ ny lohany ny fitokanana ho an’ Andriamaniny.
- 8 Amin’ ny andro fitokanany rehetra dia ho masìna ho an’ i Jehovah izy.
- 9 Ary raha misy olona maty tampoka eo anilany ka mandoto ny lohany izay fitokanany dia hanaratra ny lohany amin’ ny andro fanadiovana azy izy, dia amin’ ny andro fahafito no hanaratany azy;
- 10 ary amin’ ny andro fahavalo dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa ho eo amin’ ny mpisorona, eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana izy.
- 11 Ary ny mpisorona dia hanatitra ny anankiray ho fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa ho fanatitra dorana, dia hanao fanavotana ho azy, satria nanota ny amin’ ny faty izy; ary hanamasina ny lohany amin’ izany andro izany izy.
- 12 Dia hanokana ho an’ i Jehovah ny androny fitokanany izy ka hitondra ondrilahy iray izay iray taona ho fanati-panonerana; fa ho very ny andro teo aloha, satria voaloto ny fitokanany
- 13 Ary izao no lalàna ny amin’ ny Nazirita: Rehefa tapitra ny andro fitokanany, dia ho entina ho eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana izy;
- 14 ary hanatitra ny fanatiny ho an’ i Jehovah izy, dia ondrilahy iray izay iray taona tsy misy kilema ho fanatitra dorana, ary ondrivavy iray izay iray taona tsy misy kilema ho fanatitra noho ny ota, ary ondrilahy iray tsy misy kilema ho fanati-pihavanana,
- 15 ary mofo tsy misy masirasira iray harona, dia mofo atao amin’ ny koba tsara toto voaharo diloilo sy mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo, mbamin’ ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina momba azy.
- 16 Dia haterin’ ny mpisorona eo anatrehan’ i Jehovah ireo; ary hateriny koa ny fanatiny noho ny ota sy ny fanatitra dorany;
- 17 dia hateriny ny ondrilahy ho fanati-pihavanana ho an’ i Jehovah mbamin’ ny mofo tsy misy masirasira iray harona; ary haterin’ ny mpisorona koa ny fanatitra hohaniny sy ny fanatitra aidiny.
- 18 Ary ny Nazirita hanaratra, ny lohany izay fitokanany eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana, ary horaisiny ny volon-dohany fitokanany ka hataony eo amin’ ny afo izay eo ambanin’ ny fanati-pihavanana.
- 19 Dia halain’ ny mpisorona ny sorok’ ondrilahy izay efa masaka sy mofo iray tsy misy masirasira avy amin’ ny harona ary mofo manify iray tsy misy masirasira ka hataony eo amin’ ny tanan’ ny Nazirita, rehefa voaharatra ny lohany izay fitokanany.
- 20 Dia hahevahevan’ ny mpisorona ireo ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah; ho masìna izany ho an’ ny mpisorona ho fanampin’ ny tratra ahevaheva sy ny soroka asandratra; ary rehefa afaka izany, dia vao mahazo misotro divay ny Nazirita.
- 21 Izany no lalàna ny amin’ ny Nazirita, izay mivoady hitondra fanatitra ho an’ i Jehovah noho ny fitokanany, afa-tsy izay zavatra hafa tratry ny ananany; araka ny voady izay nivoadiany no hataony, araka ny lalàna ny amin’ ny fitokanany.
- 22 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
- 23 Mitenena amin’ i Arona sy ny zanany hoe: Izao no teny ho entinareo mitso-drano ny Zanak’ Isiraely:
- 24 Hitahy anao anie Jehovah ka hiaro anao;
- 25 Hampamirapiratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hamindra fo aminao;
- 26 Hanandratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hanome anao fiadanana.
- 27 Dia hametraka ny anarako amin’ ny Zanak’ Isiraely izy; ary Izaho hitahy azy.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.