-
Numbers 36
- 1 Dia nanatona ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny fokon’ ny taranak’ i Gileada, zanak’ i Makira, zanak’ i Manase, avy tamin’ ny fokon’ ny taranak’ i Josefa, ka niteny teo anatrehan’ i Mosesy sy ny lehibe, lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny Zanak’ Isiraely, ka nanao hoe:
- 2 Hianao, tompokolahy, efa nodidian’ i Jehovah hizara ny tany amin’ ny filokana ho an’ ny Zanak’ Isiraely; ary ianao, tompokolahy, efa nodidian’ i Jehovah hanome ny zara-tanin’ i Zelofada rahalahinay ho an’ ny zananivavy.
- 3 Koa raha manambady ny zanakalahin’ ny firenena sasany amin’ ny Zanak’ Isiraely ireo, dia hesorina amin’ ny an’ ny razanay ny zara-taniny ka hanampy ny zara-tanin’ ny firenena izay hatoniny, dia hesorina amin’ ny zara-taninay izay azonay tamin’ ny filokana izany.
- 4 Ary raha tonga ny Jobilin’ ny Zanak’ Isiraely, ny zara-taniny dia hanampy ny an’ ny firenena izay hatoniny, ary ny azy dia hesorina amin’ ny zara-tanin’ ny razanay.
- 5 Ary Mosesy nandidy ny Zanak’ Isiraely araka ny tenin’ i Jehovah ka nanao hoe: Marina ny tenin’ ny firenena taranak’ i Josefa.
- 6 Izao no teny izay andidian’ i Jehovah ny amin’ ny zanakavavin’ i Zelofada: Aoka izy hanambady izay tiany, nefa ny ao amin’ ny fokon’ ny firenen’ ny razany ihany no hovadiny.
- 7 Dia tsy hifindra maso ny zara-tanin’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely; fa samy ho eo amin’ ny zara-tanin’ ny razany avy no hipetrahan’ ny Zanak’ Isiraely.
- 8 Ary ny zazavavy rehetra izay mandova zara-tany eo amin’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely dia hanambady ny anankiray ao amin’ ny fokon’ ny firenen’ ny razany ihany, mba hananan’ ny Zanak’ Isiraely rehetra ny zara-tanin’ ny razany avy.
- 9 Ary aoka tsy hisy hifindra maso ny zara-tanin’ ny firenena samy hafa, fa samy ho eo amin’ ny azy avy no hipetrahan’ ny Zanak’ Isiraely.
- 10 Araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy no nataon’ ny zanakavavin’ i Zelofada,
- 11 ka Mahala sy Tirza sy Hogla sy Milka ary Noa, zanakavavin’ i Zelofada, dia samy nanambady ny zanaky ny rahalahin’ ny rainy avy.
- 12 Izay avy tamin’ ny fokon’ ny taranak’ i Manase, zanak’ i Josefa, no novadin’ ireo, ka dia nitoetra teo amin’ ny firenen’ ny mpianakavin’ ny rainy ihany ny zara-taniny.
- 13 Ireo no didy sy fitsipika izay nandidian’ i Jehovah ka nampitondrainy an’ i Mosesy ho amin’ ny Zanak’ Isiraely teo Arbota-moaba, teo amoron’ i Jordana tandrifin’ i Jeriko.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.