-
Numbers 24
- 1 Ary rehefa hitan’ i Balama fa sitrak’ i Jehovah ny hitahy ny Isiraely, dia tsy nandeha tahaka ny teo hanao sikidy intsony izy, fa nitodika nanatrika ny efitra fotsiny.
- 2 Dia natopin’ i Balama ny masony, ka nahita ny Isiraely mitoby araka ny fireneny izy; ary ny Fanahin’ Andriamanitra tonga tamin’ i Balama.
- 3 Dia nanao oha-teny izy ka nilaza hoe: Hoy Balama, zanak’ i Beora, dia ny lehilahy izay voakimpy ny masony
- 4 Izay mandre ny tenin’ Andriamanitra sady mahita fahitana avy amin’ ny Tsitoha, torana, kanefa voahiratra ny masony:
- 5 Endrey ny hatsaran’ ny lainao, ry Jakoba ô! sy ny lasinao, ry Isiraely ô!
- 6 Tahaka ny lohasaha malalaka, tahaka ny saha ao amoron’ ony, tahaka ny hazo manitra nambolen’ i Jehovah, tahaka ny hazo sedera ao amoron-drano.
- 7 Hisy rano mandeha avy eo amin’ ny sininy, ary ny taranany ho any amoron’ ny renirano maro. Hisandratra noho Agaga ny mpanjakany, ary handroso voninahitra ny fanjakany.
- 8 Nentin’ Andriamanitra nivoaka avy tany Egypta izy. Ary manan-kery toy ny ombimanga; Handany ny jentilisa fahavalony izy, ka hotapatapahiny ny taolany, ary haripany amin’ ny zana-tsipìkany.
- 9 Mamitaka izy, mandry toy ny liona, ary toy ny liom-bavy, ka iza no hanaitra azy? Hohasoavina anie izay manisy soa anao, ary ho voaozona anie izay manozona anao!
- 10 Dia nirehitra tamin’ i Balama ny fahatezeran’ i Balaka, ka niteha-tanana izy; dia hoy izy tamin’ i Balama: Hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanjo efa nitso-drano azy intelo ianao izao.
- 11 Koa ankehitriny, mandosira ho any amin’ ny fonenanao ianao. Hoy izaho teo: Hanome voninahitra anao tokoa aho; fa, indro, Jehovah efa nisakana anao tsy hahazo voninahitra.
- 12 Dia hoy Balama tamin’ i Balaka: Moa tsy efa nilaza tamin’ ny irakao izay nirahinao tamiko va aho ka nanao hoe:
- 13 Na dia homen’ i Balaka volafotsy sy volamena eran’ ny tranony aza aho, dia tsy mahazo manoatra ny didin’ i Jehovah, na hanao soa, na hanao ratsy, avy amin’ ny saiko; izay holazain’ i Jehovah ihany no holazaiko?
- 14 Ary ankehitriny, indro, efa handeha ho any amin’ ny fireneko aho, dia aoka hananatra anao aho ny amin’ izay hataon’ ity firenena ity amin’ ny vahoakanao any am-parany.
- 15 Dia nanao oha-teny izy ka nilaza hoe: Hoy Balama, zanak’ i Beora, dia ny lehilahy izay voakimpy ny masony;
- 16 Izay mandre ny tenin’ Andriamanitra sady mahalala ny fahalalan’ ny Avo Indrindra, izay mahita fahitana avy amin’ ny Tsitoha, torana, kanefa voahiratra ny masony:
- 17 Hitako Izy, nefa tsy ankehitriny; tazako Izy, nefa tsy akaiky; misy kintana miseho avy amin’ i Jakoba sy tehim-panjakana miposaka avy amin’ Isiraely ka mandrava ny sisin-tanin’ i Moaba Ary mandringana ny mpitabataba rehetra.
- 18 Edoma sy Seïra fahavalony dia samy lasany ho azy, ary ny Isiraely mandroso amin-kery.
- 19 Ary avy amin’ i Jakoba no isehoan’ Izay hanapaka ka handringana izay sisa avy ao an-tanàna.
- 20 Ary nahita ny Amalekita izy, dia nanao oha-teny hoe: Voalohany tamin’ ny jentilisa Amaleka, fa ho lany ringana no hiafarany.
- 21 Ary nahita ny Kenita izy, dia nanao oha-teny hoe: Mafy orina ny fonenanao, ary atao ao amin’ ny vatolampy ny akaninao.
- 22 Kanefa ho ringana Kaina, alohan’ ny hamaboan’ i Asyra anao.
- 23 Dia nanao oha-teny koa izy ka nilaza hoe: Indrisy! iza no ho velona, raha manao izany Andriamanitra?
- 24 Ary hisy sambo avy any amin’ ny tany Kitima, dia hampietry an’ i Asyra sy Ebera, ka ho lany ringana no hiafarany.
- 25 Dia niainga Balama ka lasa nody tany amin’ ny fonenany; fa Balaka kosa nandeha tany amin’ izay nalehany.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.