-
Numbers 17
- 1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
- 2 Mitenena amin’ i Eleazara, zanak’ i Arona mpisorona, mba hotsimponiny eo anatin’ ny may ny fitondran’ afo, ary ny afo dia aelezo lavitra; fa masìna ireny;
- 3 ary ny fitondran’ afon’ ireo mpanota nanimba tena ireo dia aoka hatao takelaka manify hapetaka amin’ ny alitara; fa nateriny teo anatrehan’ i Jehovah ireny ka masìna; ary ho famantarana ho an’ ny Zanak’ Isiraely ireny.
- 4 Ary nalain’ i Eleazara mpisorona ny fitondran’ afo varahina, izay efa nanateran’ ireo olona may ireo, ka nofisahiny ho takelaka hapetaka amin’ ny alitara
- 5 ho fahatsiarovana ho an’ ny Zanak’ Isiraely mba tsy hisy olon-kafa afa-tsy ny taranak’ i Arona ihany no hahazo manakaiky handoro ditin-kazo manitra eo anatrehan’ i Jehovah; fandrao ho tahaka an’ i Kora sy ny namany izy, dia araka ny tenin’ i Jehovah izay nampitondrainy an’ i Mosesy.
- 6 Ary nony ampitso dia nimonomonona tamin’ i Mosey sy Arona ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, ka nanao hoe: Hianareo efa nahafaty ny olon’ i Jehovah.
- 7 Ary raha niangona hanome tsiny an’ i Mosesy sy Arona ny fiangonana, dia nijery ny trano-lay fihaonana izy, ka, indro, nanarona azy ny rahona, ary niseho ny voninahitr’ i Jehovah.
- 8 Ary Mosesy sy Arona dia nankeo anoloan’ ny trano-lay fihaonana.
- 9 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
- 10 Mialà amin’ io fiangonana io handringanako azy amin’ ny indray mipi-maso monja. Dia niankohoka izy roa lahy.
- 11 Ary hoy Mosesy tamin’ i Arona: Alao ny fitondran’ afo, ka asio afo avy eo ambonin’ ny alitara izy, dia asio ditin-kazo manitra, ka ento faingana eo amin’ ny fiangonana, ka manaova fanavotana ho azy; fa efa mivoaka avy tamin’ i Jehovah ny fahatezerana, ary efa miantomboka ny areti-mandringana.
- 12 Dia nalain’ i Arona izany, araka izay nandidian’ i Mosesy, ka nihazakazaka ho eo afovoan’ ny fiangonana izy; ary, indro, efa niantomboka teo amin’ ny olona ny areti-mandringana; ary nandoro ny ditin-kazo manitra teo izy ka nanao fanavotana ho an’ ny olona.
- 13 Dia nijanona teo anelanelan’ ny maty sy ny velona izy, ka dia nitsahatra ny areti-mandringana.
- 14 Ary izay efa matin’ ny areti-mandringana dia fiton-jato amby efatra arivo sy iray alina, afa-tsy izay efa maty noho ny amin’ i Kora.
- 15 Ary Arona niverina ho eo amin’ i Mosesy teo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana; ary ny areti-mandringana dia nitsahatra.
- 16 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
- 17 Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely, ka analao tehina iray avy araka ny fianakaviany izy, ka ny lohan’ ny fireneny rehetra araka ny fianakaviany avy no hanalana azy, dia tehina roa ambin’ ny folo; ary samy soraty eo amin’ ny tehiny avy ny anaran’ izy rehetra.
- 18 Fa ny anaran’ i Arona no hosoratanao amin’ ny tehin’ i Levy; fa tehina iray avy no ho an’ ny lohan’ ny fianakaviany.
- 19 Dia hataonao ao amin’ ny trano-lay fihaonana ireo, dia eo anoloan’ ny Vavolombelona, izay ihaonako aminareo.
- 20 Ary ny tehin’ ny lehilahy izay hofidiko dia hitsimoka; ka dia hampanginiko ny fimonomononan’ ny Zanak’ Isiraely amiko, izay imonomononany aminareo.
- 21 Ary Mosesy dia niteny tamin’ ny Zanak’ Isiraely, ka ny lohan’ ny firenena dia samy nanatitra tehina iray avy teo aminy araka ny fianakaviany, dia tehina roa ambin’ ny folo; ary ny tehin’ i Arona dia teo afovoan’ ireo tehiny ireo.
- 22 Dia napetrak’ i Mosesy teo anatrehan’ i Jehovah, dia tao amin’ ny trano lain’ ny Vavolombelona ireo tehina ireo.
- 23 Ary nony ampitso dia niditra tao amin’ ny trano-lain’ ny Vavolombelona Mosesy, ary indro fa nitsimoka ny tehin’ i Arona, izay ho an’ ny taranak’ i Levy, dia nanaroka sy namony ka namoa amygdala.
- 24 Dia nentin’ i Mosesy nivoaka hiala eo anatrehan’ i Jehovah ny tehina rehetra, ho eo amin’ ny Zanak’ Isiraely rehetra; dia nijery izy, ka samy nandray ny tehiny avy.
- 25 Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Avereno ny tehin’ i Arona ho eo anoloan’ ny Vavolombelona, hotehirizina ho famantarana ho an’ ny mpiodina, ka dia hatsahatrao hiala amiko ny fimonomononany, mba tsy ho faty izy.
- 26 Dia nataon’ i Mosesy izany; araka izay efa nandidian’ i Jehovah azy no nataony.
- 27 Dia niteny tamin’ i Mosesy ny Zanak’ Isiraely ka nanao hoe: Indro, maty izahay, ringana izahay, eny, ringana avokoa izahay rehetra.
- 28 Ho faty izay rehetra manakaiky, dia izay manakaiky ny tabernakelin’ i Jehovah; ho lany maty va izahay?
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.