-
Jeremiah 43
- 1 Ary rehefa tapitra voalazan’ i Jeremia tamin’ ny vahoaka rehetra izany teny rehetra avy tamin’ i Jehovah Andriamaniny izany, izay nanirahan’ i Jehovah Andriamanitra azy holazaina aminy,
- 2 dia niteny Azaria, zanak’ i Hosaia, sy Johanana, zanak’ i Karea, mbamin’ ny olona mpirehareha rehetra ka niteny tamin’ i Jeremia hoe: Mandainga ianao; fa tsy naniraka anao Jehovah Andriamanitsika hilaza hoe: Aza mandeha hivahiny any Egypta;
- 3 fa Baroka, zanak’ i Neria, no nanome fo anao hamely anay mba hanolotra anay ho eo an-tànan’ ny Kaldeana hahafaty anay sy hahalasa anay ho babo any Babylona.
- 4 Ary Johanana, zanak’ i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra ary ny vahoaka rehetra dia tsy nihaino ny feon’ i Jehovah ny amin’ ny honenany ao amin’ ny tanin’ ny Joda.
- 5 Fa Johanana, zanak’ i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra dia nitondra ny sisa rehetra tamin’ ny Joda, izay niverina avy tany amin’ ny firenena rehetra nandroahana azy honina ao amin’ ny tanin’ ny Joda,
- 6 dia ny lehilahy sy ny zaza amim-behivavy sy ny vehivavy zanak’ andriana ary ny olona rehetra izay navelan’ i Nebozaradana, lehiben’ ny mpiambina, tao amin’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama, zanak’ i Safana, sy tao amin’ i Jeremia mpaminany sy Baroka, zanak’ i Neria
- 7 ka dia nankany amin’ ny tany Egypta izy ireny, fa tsy nihaino ny feon’ i Jehovah, ary dia tonga hatrany Tapanesa.
- 8 Dia tonga tamin’ i Jeremia tao Tapanesa ny tenin’ i Jehovah hoe:
- 9 Mitondrà vato lehibe eny an-tananao, ka afeno ao amin’ ny feta ao amin’ ny gorodona taila, izay eo akaikin’ ny vavahady amin’ ny tranon’ i Farao ao Tapanesa, eo imason’ ny lehilahy amin’ ny Joda,
- 10 ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro Aho haniraka haka an’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, mpanompoko, ka haoriko amin’ ireto vato nafeniko ireto ny seza fiandrianany; ary hamelatra ny lambany tsara tarehy hatao alokaloka eo amboniny izy.
- 11 Eny, ho avy izy hamely ny tany Egypta, ka izay ho amin’ ny areti-mandringana dia ho amin’ ny areti-mandringana, ary izay ho amin’ ny fahababoana dia ho amin’ ny fahababoana, ary izay ho amin’ ny sabatra dia ho amin’ ny sabatra.
- 12 Ary handrehitra afo ao amin’ ny tranon’ ny andriamanitr’ i Egypta Aho, ka dia hodorany sy hobaboiny ireo, ary hitafy ny tany Egypta izy toy ny fitafin’ ny mpiandry ondry ny lambany; ary hiala any amin’ ny fiadanana izy.
- 13 Ary hotorotoroiny ny tsangam-baton-tsampy ao Beti-semesy, izay any amin’ ny tany Egypta; ary hodorany amin’ ny afo ny tranon’ ny andriamanitr’ i Egypta.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.