-
Jeremiah 39
- 1 Ary rehefa afaka Jerosalema (tamin’ ny volana fahafolo tamin’ ny taona fahasivy nanjakan’ i Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, no nahatongavan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, sy ny miaramilany rehetra hamely an’ i Jerosalema ka nanao fahirano azy;
- 2 ary nony tamin’ ny andro fahasivy tamin’ ny volana fahefatra tamin’ ny taona fahiraika ambin’ ny folo nanjakan’ i Zedekia, dia nisy voabanga ny tanàna),
- 3 dia niditra ny mpanapaky ny mpanjakan’ i Babylona rehetra ka nipetraka teo amin’ ny vavahady ampovoany, dia Nergala-sarezera sy Samgarnebo sy Sarsekima. Raba-sarisa, sy Nergala-sarezera Raba-magy, mbamin’ ny sisa rehetra amin’ ny mpanapaky ny mpanjakan’ i Babylona.
- 4 Ary rehefa nahita ireo Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, sy ny miaramila rehetra, dia nandositra izy ka lasa nandeha alina niala tao an-tanàna, nahazo ny lalana mankamin’ ny sahan’ ny mpanjaka, tamin’ ny vavahady eo anelanelan’ ny manda roa; ary lasa nivoaka nankany amin’ ny lalana mankeny amin’ ny tani-hay izy.
- 5 Fa ny miaramilan’ ny Kaldeana nanenjika azy ka nahatratra an’ i Zedekia teny amin’ ny tani-hay any Jeriko; ary nony azony izy, dia nentiny niakatra ho any amin’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, tao Ribla tao amin’ ny tany Hamata; ka dia notsarainy tao izy.
- 6 Ary ny zanakalahin’ i Zedekia dia novonoin’ ny mpanjakan’ i Babylona tao Ribla teo imason-drainy; ary ny manan-kaja rehetra tamin’ ny Joda koa dia novonoin’ ny mpanjakan’ i Babylona.
- 7 Ary nopotsiriny ny mason’ i Zedekia, dia nafatony tamin’ ny gadra varahina izy ho entiny any Babylona.
- 8 Ary nodoran’ ny Kaldeana tamin’ ny afo ny tranon’ ny mpanjaka sy ny tranon’ ny vahoaka, ary ny mandan’ i Jerosalema noravany.
- 9 Ary ny olona sisa tao an-tanàna sy izay efa nanatona azy ary ny vahoaka sisa koa dia nentin’ i Nebozaradana, lehiben’ ny mpiambina, ho babo tany Babylona.
- 10 Nefa ny olona malahelo izay tsy nanana na inona na inona kosa dia nisy ihany navelan’ i Nebozaradana, lehiben’ ny mpiambina, tao amin’ ny tanin’ ny Joda sady nomeny tanim-boaloboka sy tanimboly tamin’ izany andro izany.
- 11 Ary Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, nanome teny an’ i Nebozaradana, lehiben’ ny mpiambina, ny amin’ i Jeremia nanao hoe:
- 12 Ento izy, ka tandremo tsara, fa aza asian-dratsy fa araka izay lazainy aminao no ataovy aminy.
- 13 Ary Nebozaradana, lehiben’ ny mpiambina, sy Nebosazbana, Raba-sarisa, sy Nergala-sarezera, Raba-magy, ary ny mpanapaky ny mpanjakan’ i Babylona rehetra
- 14 dia naniraka haka an’ i Jeremia teo amin’ ny kianjan’ ny trano fiambenana, ka natolony an’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama, zanak’ i Safana, mba ho entiny any an-trano izy, ka dia nitoetra tao amin’ ny olona.
- 15 Ary tonga tamin’ i Jeremia ny tenin’ i Jehovah, fony izy mbola voahazona tao amin’ ny kianjan’ ny trano fiambenana ihany, nanao hoe:
- 16 Mandehana, ka lazao amin’ i Ebeda-meleka Etiopiana hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hotoviko amin’ ity tanàna ity ny teniko hahatonga loza, fa tsy soa; ary ho tanteraka eo imasonao izany amin’ izany andro izany.
- 17 Nefa hovonjeko ianao amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, fa tsy mba hatolotra eo an-tànan’ ny olona izay atahoranao.
- 18 Fa hovonjeko tokoa ianao ka tsy holavon-tsabatra; eny, ny ainao no ho babonao, satria efa natoky Ahy, hoy Jehovah.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.