-
Jeremiah 41
- 1 Ary tamin’ ny volana fahafito dia tonga tany amin’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama, tao Mizpa Isimaela, zanak’ i Netania, zanak’ i Elisama, taranaky ny mpanjaka, sy ny mpanapaky ny mpanjaka; ary nisy folo lahy niaraka taminy; ary niara-nihinan-kanina tao Mizpa izy.
- 2 Dia nitsangana Isimaela, zanak’ i Netania, sy ireo olona folo lahy niaraka taminy ka namely sabatra an’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama, zanak’ i Safana, dia nahafaty ilay efa nataon’ ny mpanjakan’ i Babylona ho mpanapaka ny tany.
- 3 Ary ny Jiosy rehetra izay tao aminy, dia izay tao amin’ i Gedalia tao Mizpa, sy ny Kaldeana izay hita tao ary ny miaramila dia novonoin’ Isimaela avokoa.
- 4 Ary nony ampitson’ ny andro namonoana an’ i Gedalia, raha tsy mbola nisy olona nahalala izany,
- 5 dia nisy valo-polo lahy avy tany Sekema sy Silo ary Samaria, izay samy mihara-bolom-bava, sady voatriatra ny fitafiany, ary voatetika ny tenany, nitondra fanatitra sy ditin-kazo mani-pofona teny an-tànany ho entina ao an-tranon’ i Jehovah.
- 6 Ary Isimaela, zanak’ i Netania, dia nivoaka avy tao Mizpa hitsena azy sady nitomany teny am-pandehanana, ary nony efa nihaona taminy izy, dia niteny taminy hoe: Mankanesa any amin’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama.
- 7 Ary nony tonga tao afovoan’ ny tanàna izy ireo, dia novonoin’ Isimaela, zanak’ i Netania, mbamin’ ny olona nanaraka azy izy ka nariany tao anaty lavaka famorian-drano.
- 8 Fa nisy folo lahy tamin’ ireo nanao tamin’ Isimaela hoe: Aza vonoina izahay; fa manan-tahiry any an-tsaha izahay, dia vary tritika sy vary hordea sy diloilo ary tantely. Ka dia nijanona izy, fa tsy namono ireo tahaka ny efa nataony tamin’ ny namany.
- 9 Ary ilay lavaka nanarian’ Isimaela ny fatin’ ny olona rehetra, izay novonoiny ho eo anilan’ i Gedalia, dia ilay efa nataon’ i Asa mpanjaka mba hiereny an’ i Basa, mpanjakan’ ny Isiraely, dia nofenoin’ Isimaela, zanak’ i Netania, faty.
- 10 Ary nentin’ Isimaela ho babo ny olona rehetra izay sisa tao Mizpa, na ny vehivavy zanak’ andriana, na ny olona rehetra izay sisa tao Mizpa, izay napetrak’ i Nebozaradana, lehiben’ ny mpiambina, tao amin’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama; eny, Isimaela, zanak’ i Netania, nitondra azy ireny ho babo, ka dia lasa niala nankany amin’ ny taranak’ i Amona izy.
- 11 Fa nony ren’ i Johanana, zanak’ i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tao aminy ny ratsy rehetra nataon’ Isimaela, zanak’ i Netania,
- 12 dia novoriny ny olona rehetra ka nentiny niady tamin’ Isimaela, zanak’ i Netania ary hitany teo amoron’ ny kamory ao Gibeona izy.
- 13 Ary ny olona rehetra izay tao amin’ Isimaela, nony nahita an’ i Johanana, zanak’ i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tao aminy, dia faly.
- 14 Ary ny olona rehetra izay nentin’ Isimaela ho babo avy tany Mizpa dia nitodika ka niverina nanatona an’ i Johanana, zanak’ i Karea.
- 15 Fa Isimaela, zanak’ i Netania, sy ny olona valo lahy kosa dia afaka nandositra an’ i Johanana ka lasa nankany amin’ ny taranak’ i Amona.
- 16 Ary Johanana, zanak’ i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tao aminy dia nitondra ny olona rehetra izay voavonjiny ho afaka tamin’ Isimaela, zanak’ i Netania, avy tany Mizpa, taorian’ ny namonoany an’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama, dia ny lehilahy mpiady sy ny zaza amim-behivavy ary ny tandapa, izay nentiny niverina avy tany Gibeona;
- 17 ary dia lasa izy ireo ka nitoetra tao Gerota-kimama, izay ao akaikin’ i Betlehema, mba handehanany hankany Egypta.
- 18 tsy ho tratry ny Kaldeana; fa natahotra azy izy, satria Isimaela, zanak’ i Netania, efa namono an’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama, izay notendren’ ny mpanjakan’ i Babylona ho mpanapaka ny tany.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.