-
Jeremiah 46
- 1 Ny tenin’ i Jehovah Izay tonga tamin’ i Jeremia mpaminany ny amin’ ny jentilisa.
- 2 Ny amin’ i Egypta. Ny amin’ ny miaramilan’ i Farao-neko, mpanjakan’ i Egypta, izay teny amoron’ ny ony Eofrata, tany Karkemisy, dia ilay resin’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, tamin’ ny taona fahefatra nanjakan’ i Joiakima, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda:
- 3 Mitaova amin’ ny ampinga kely sy ny ampinga lehibe, ka mandrosoa hiady;
- 4 Fehezo amin’ ny kalesy ny soavaly, ary itaingeno ny soavaly fitaingina; Mijoroa tsara ianareo, ka samia misatroka fiarovan-doha; Fotsio ny lefona, miakanjoa ny akanjo fiarovan-tena.
- 5 Indrisy ny ahitako azy! raiki-tahotra sy miamboho izy, ary ny maheriny aza dia efa ripaka, sady miezaka mandositra izy ka tsy miherika akory; Fa misy fampangorohoroana manodidina, hoy Jehovah.
- 6 Tsy ho afa-mandositra ny haingan-tongotra, na ho afaka ny mahery; Any avaratra eo amoron’ ny ony Eofrata no hahatafintohina sy hahalavo azy.
- 7 Iza moa izato mizotra tahaka an’ i Neily, ary ny onjany misamboaravoara toy ny renirano
- 8 Egypta mizotra tahaka an’ i Neily, ary ny onjany misamboaravoara toy ny renirano, ary hoy izy: Hizotra aho ka hanafotra ny tany; Haringako ny tanàna sy ny mponina ao aminy.
- 9 Miakara, ianareo soavaly, ary miriota toy ny adala, ianareo kalesy; Ary aoka hivoaka ny lehilahy mahery, dia ny Etiopiana sy ny Libyana, izay mitana ampinga, ary ny Lydiana, izay mitana sy manenjana tsipìka.
- 10 Fa izao andro izao dia an’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, ho andro famaliana hamaliany ny fahavalony; Ary ny sabatra hihinana ka ho voky sy ho mamon’ ny ran’ ireo; Fa ny Tompo, dia Jehovah, Tompon’ ny maro, no mamono zavatra hatao fanatitra any amin’ ny tany avaratra ao amoron’ ny ony Eofrata.
- 11 Miakara any Gileada, ka makà balsama, ry Egypta zanakavavy virijina; Foana ny nanaovanao fanafody maro, fa tsy manana plasitera hapetaka amin’ ny ferinao ianao,
- 12 Efa ren’ ny firenena ny henatrao, ary ny fiantsoantsoanao nanenika ny tany; fa mifandona ny samy mahery, ka miara-davo izy roa tonta.
- 13 Ny teny izay nolazain’ i Jehovah tamin’ i Jeremia mpaminany ny amin’ ny hihavian’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, hamely ny tany Egypta.
- 14 Ambaraonareo any Egypta, ary torio any Migdola, eny, torio any Memfisa sy Tapanesa, ka ataovy hoe: Mijoroa tsara ianao, ka miomàna; Fa mandringana manodidina anao ny sabatra.
- 15 Nahoana no voapaoka ny maherinao? Tsy nahafahatra izy, satria Jehovah no nandroaka azy.
- 16 Efa nahatafintohina ny maro Izy, ka lavo mifanindry ireo; Dia hoy ireo: Mitsangàna, ka andeha isika hiverina ho any amin’ ny firenentsika sy ho any amin’ ny tany nahaterahantsika ho afaka amin’ ny sabatra mandoza,
- 17 Nitaraina tany izy hoe: Tabataba foana Farao, mpanjakan’ i Egypta, efa nandiso ny fotoana izy.
- 18 Raha velona koa Aho, hoy ny Mpanjaka, Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany: Tahaka an’ i Tabara amin’ ny tendrombohitra, sy tahaka an’ i Karmela ao amoron-dranomasina, dia ho tahaka izany no hihaviany.
- 19 Ry Egypta zanakavavy mponina, Mifeheza entana ho entinao any amin’ ny fahababoana; Fa ho tonga tany lao Memfisa, eny, hodorana izy, ka tsy hisy mponina.
- 20 Egypta dia tahaka ny ombivavy kely tsara tarehy dia tsara tarehy; Fa injay! tamy, eny, tamy ny fihitra avy any avaratra!
- 21 Na dia ny olona karamaina ao aminy aza, izay tahaka ny ombilahy kely mifahy, ireny koa dia mihodìna ka samy mandositra avokoa; Tsy mahajanona izy, fa efa tonga aminy ny andro hahitany loza, dia ny andro hamaliana azy.
- 22 Ny feony dia toy ny fikasaotsaoky ny menarana mandeha; Fa mandeha hitondra miaramila izy ka avy hamely azy amin’ ny famaky toy ny mpikapa hazo.
- 23 Kapainy ny alany, hoy Jehovah, satria efa nikirindro loatra; Fa maro noho ny valala izy ka tsy tambo isaina.
- 24 Ho afa-baraka Egypta zanakavavy, Hatolotra eo an-tànan’ ny olona any avaratra izy.
- 25 Ary hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely; Indro, hovaliako Amona avy any Nô Ary Farao sy Egypta mbamin’ ny andriamaniny sy ny mpanjakany, dia Farao sy izay rehetra matoky azy;
- 26 Ary hatolotro eo an-tànan’ izay mitady ny ainy izy, dia eo an-tànan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, sy eo an-tànan’ ny mpanompony; Ary aorian’ izany, dia handry fahizay toy ny tamin’ ny andro fahiny ihany izy, hoy Jehovah.
- 27 Fa aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, ary aza mivadi-po, ry Isiraely; Fa, indro, hovonjeko avy any amin’ ny lavitra ianao, ary ny taranakao avy any amin’ ny tany nahababo azy; Dia hiverina Jakoba ka hiadana, eny, handry fahizay izy, ka tsy hisy hanaitaitra azy.
- 28 Aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, hoy Jehovah, fa momba anao Aho; Fa na dia levoniko aza ny firenena rehetra izay nandroahako anao, ianao tsy mba holevoniko, nefa kosa mba hanariko araka ny antonony ihany ianao, fa tsy dia havelako fotsiny.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.