-
2 Corinthians 10
- 1 Ary ny tenako, izaho Paoly, dia mananatra anareo amin’ ny hamoram-panahy sy ny fandeferan’ i Kristy, dia izaho, izay manetry tena, hono, raha eo anatrehanareo, fa sahy aminareo kosa, raha tsy eo.
- 2 Dia mangataka aho mba tsy ho sahy, rehefa tonga, amin’ ny fahatokiana izay kasaiko hahasahiana amin’ ny sasany, izay manao anay ho mandeha araka ny nofo.
- 3 Fa na dia velona amin’ ny nofo aza izahay, dia tsy mba miady araka ny nofo
- 4 (fa tsy avy amin’ ny nofo ny fiadian’ ny tafikay, fa mahery amin’ Andriamanitra handrava fiarovana mafy);
- 5 fa mandrava ny fisainana sy ny zavatra avo rehetra izay atsangana hanohitra ny fahalalana an’ Andriamanitra izahay ka mamabo ny hevitra rehetra hanaiky an’ i Kristy,
- 6 ary vonona hamaly ny tsi-fanarahana rehetra izahay, rehefa tanteraka ny fanarahanareo.
- 7 Mijery zavatra araka ny fisehony ihany va ianareo? Raha misy olona matoky ny tenany fa an’ i Kristy, aoka izay hisaintsaina izao indray, fa tahaka ny mah’ an’ i Kristy azy no mah’ an’ i Kristy anay koa.
- 8 Fa na dia bebe ihany aza ny fireharehako ny amin’ ny fahefanay izay nomen’ i Kristy anay hananganana, fa tsy handravana anareo, dia tsy hahazo henatra aho,
- 9 mba tsy hisehoako toy ny ta-hampitahotra anareo amin’ ny epistily.
- 10 Fa ny epistiliny, hoy izy, dia mavesatra sy mahery; fa malemy kosa ny fanatrehan’ ny tenany, ary tsinontsinona ny teniny.
- 11 Aoka izany olona izany hihevitra izao, fa tahaka ny fiteninay amin’ ny epistily, raha tsy eo izahay, dia ho tahaka izany koa ny asanay rehefa tonga izahay.
- 12 Fa izahay tsy sahy hanao ny tenanay ho isan’ ny sasany izay midera tena, na hampitaha ny tenanay aminy; fa tsy hendry ireny, satria manohatra ny tenanay amin’ ny tenany sy mampitaha ny tenany amin’ ny tenanay.
- 13 Fa izahay tsy mba hirehareha tsy amin’ ohatra, fa araka ny ohatry ny voafaritr’ Andriamanitra ho anjaranay, dia ohatra mihatra aminareo.
- 14 Fa tsy toy izay tsy mihatra aminareo izahay ka mihoatra ny faritry ny anjaranay; fa tonga hatrany aminareo aza izahay amin’ ny filazantsaran’ i Kristy;
- 15 tsy mirehareha tsy amin’ ohatra amin’ izay nisasaran’ ny sasany izahay, fa manana fanantenana izahay fa rehefa mitombo ny finoanareo, dia hohalehibiazina ao aminareo izahay araka ny voafaritra ho anjarany, sady mbola handroso ihany
- 16 ka hitory ny filazantsara amin’ ny tany any ankoatranareo, ary tsy hirehareha amin’ izay efa vonona rahateo ao anatin’ ny voafaritra ho an’ ny sasany.
- 17 Fa izay mirehareha, dia aoka Jehovah no ho reharehany
- 18 Fa tsy izay midera tena no ankasitrahana, fa izay derain’ ny Tompo.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.