-
2 Corinthians 2
- 1 Fa ninia toy izao tato am-poko aho, dia ny tsy hankatỳ aminareo indray amin’ alahelo.
- 2 Fa raha mampalahelo anareo aho, iza moa no mampifaly ahy, afa-tsy ilay nampalaheloviko ihany?
- 3 Ary nanoratra izany indrindra aho, fandrao, rehefa tonga aho, dia hahazo alahelo amin’ izay tokony hifaliako, satria matoky anareo rehetra aho, fa ny fifaliako dia anareo rehetra koa.
- 4 Fa tamin’ ny haben’ ny fahoriana sy ny alahelon’ ny foko no nanoratako taminareo tamin’ ny ranomaso be, tsy ny hampalahelovana anareo, fa ny mba hahafantaranareo ny fitiavana izay itiavako anareo indrindra.
- 5 Fa raha nisy efa nampalahelo, dia tsy nampalahelo ahy ihany izy (nefa tsy ta-hanao teny mafy loatra aho), fa mba nampalahelo anareo rehetra koa.
- 6 Ampy ho amin’ izany olona izany ny fampijaliana nataon’ ny maro,
- 7 ka dia aleo mamela heloka sy mampifaly azy kosa ianareo, fandrao dia resin’ ny fitomboan’ alahelo izany olona izany.
- 8 Koa mananatra anareo aho mba hekenareo horaisina tsara amin’ ny fitiavana izy.
- 9 Fa izany koa no nanoratako, mba ho fantatro izay toetrareo, na manaiky amin’ ny zavatra rehetra ianareo, na tsia.
- 10 Fa izay avelanareo heloka dia mba avelako heloka koa; ary izaho anefa, raha nisy heloka navelako, dia noho ny aminareo no namelako azy teo imason’ i Kristy,
- 11 fandrao ho resin’ ny fitak’ i Satana isika, fa fantatsika ny hafetseny.
- 12 Ary rehefa tonga tany Troasy hitory ny filazantsaran’ i Kristy aho, ka novohana varavarana ao amin’ ny Tompo,
- 13 dia tsy tafandry ny fanahiko, satria tsy nahita an’ i Titosy rahalahiko aho; fa nanao veloma ny olona aho, dia niala teo nankany Makedonia.
- 14 Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay mitondra anay mandrakariva ao amin’ i Kristy toy ny fanaon’ izay avy nandresy, ka dia ampisehoany ny hanitry ny fahalalana Azy eny tontolo eny izahay.
- 15 Fa hanitr’ i Kristy ho an’ Andriamanitra izahay amin’ izay hovonjena sy izay ho very:
- 16 amin’ ny sasany dia hanitra avy amin’ ny fahafatesana ho amin’ ny fahafatesana; fa amin’ ny sasany kosa dia hanitra avy amin’ ny fiainana ho amin’ ny fiainana. Koa iza moa no antonona ho amin’ izany zavatra izany?
- 17 Fa tsy mba toy ny maro izay manatsatso ny tenin’ Andriamanitra hahazoam-bola izahay; fa toy ny amin’ ny fahadiovam-po kosa, dia avy amin’ Andriamanitra sady eo anatrehan’ Andriamanitra no itenenanay ao amin’ i Kristy.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.