-
2 Corinthians 3
- 1 Moa midera tena indray va izahay, sa toy ny sasany ka mila epistily filazan-tsoa anay ho aminareo, na avy aminareo?
- 2 Hianareo no epistilinay voasoratra ato am-ponay sady fantatry sy vakin’ ny olona rehetra;
- 3 eny, aseho ho epistilin’ i Kristy izay entinay ianareo, tsy nosoratana tamin’ ny ranomainty anefa, fa tamin’ ny Fanahin’ Andriamanitra velona, tsy teo amin’ izay tena vato fisaka, fa teo amin’ izay vato fisaka nofo, dia ny fo.
- 4 Ary manana izany fahatokiana izany ny amin’ Andriamanitra izahay amin’ ny alalan’ i Kristy.
- 5 Kanefa tsy mihambo hanana fahaleovana avy aminay hihevitra na amin’ inona na amin’ inona izahay; fa ny fahaleovanay dia avy amin’ Andriamanitra,
- 6 Izay efa nampahaleo anay koa ho mpanompo amin’ izay fanekena vaovao, nefa tsy amin’ ny soratra, fa amin’ ny Fanahy; fa ny soratra mahafaty, fa ny Fanahy no mahavelona.
- 7 Fa raha ny fanompoana nitondra fahafatesana aza, izay voasoratra teo amin’ ny vato, no nisy voninahitra, ka ny Zanak’ Isiraely tsy nahabanjina ny tavan’ i Mosesy noho ny voninahitry ny tavany izay nihalevona,
- 8 tsy mainka hisy voninahitra ny fanompoana omban’ ny Fanahy?
- 9 Fa raha nisy voninahitra ny fanompoana nitondra ny fanamelohana, mainka hanan-tombom-boninahitra ny fanompoana mitondra ny fahamarinana.
- 10 Ary izay nisy voninahitra aza dia tsy manana voninahitra kosa amin’ izao noho ny voninahitra izay manan-tombo.
- 11 Fa raha ny nilevona aza nisy voninahitra, mainka fa ny mitoetra no misy voninahitra.
- 12 Koa amin’ izany, satria manana izany fanantenana izany izahay, dia sahy tokoa,
- 13 ary tsy tahaka an’ i Mosesy, izay nanarona ny tavany tamin’ ny fisalobonana, mba tsy hibanjinan’ ny Zanak’ Isiraely ny faran’ izay nihalevona;
- 14 fa efa donto ny sainy; fa ambaraka androany dia mbola tsy nesorina ihany izany fisalobonana izany, raha vakina ny tenin’ ny fanekena taloha, satria ao amin’ i Kristy ihany no anesorana izany.
- 15 Fa misy fisalobonana manarona ny fony ambaraka androany, raha vakina ny tenin’ i Mosesy.
- 16 Kanefa raha miverina amin’ ny Tompo izy, dia hesorina ihany ny fisalobonana.
- 17 Ary ny Tompo izany Fanahy izany; ary izay itoeran’ ny Fanahin’ ny Tompo no itoeran’ ny fahafahana.
- 18 Fa isika rehetra kosa amin’ ny tava tsy misarona dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin’ ny fitaratra, ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin’ ny voninahitra ka ho amin’ ny voninahitra, toy ny avy amin’ ny Tompo, dia ny Fanahy.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.