-
2 Corinthians 6
- 1 Ary izahay mpiara-miasa aminy dia mangataka aminareo koa mba tsy handraisanareo foana ny fahasoavan’ Andriamanitra
- 2 fa hoy Izy: Tamin’ ny taona fankasitrahana no nihainoako anao, Ary tamin’ ny andro famonjena no namonjeko anao; indro, ankehitriny no andro fankasitrahana; indro, ankehitriny no andro famonjena;
- 3 fa tsy manao izay mahatafintohina izahay na amin’ inona na amin’ inona, mba tsy homen-tsiny ny fanompoana;
- 4 fa amin’ ny zavatra rehetra dia mampiseho ny tenanay ho mpanompon’ Andriamanitra izahay, dia amin’ ny faharetana be, amin’ ny fahoriana, amin’ ny fahaterena, amin’ ny fahantrana,
- 5 amin’ ny kapoka, amin’ ny fatorana, amin’ ny tabataba, amin’ ny fisasarana, amin’ ny tsy fahitan-tory, amin’ ny fifadian-kanina,
- 6 amin’ ny fahadiovana, amin’ ny fahalalana, amin’ ny fahari-po, amin’ ny fahamoram-panahy, amin’ ny Fanahy Masìna, amin’ ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy,
- 7 amin’ ny teny fahamarinana, amin’ ny herin’ Andriamanitra, amin’ ny fiadian’ ny fahamarinana, na amin’ ny ankavanana na amin’ ny ankavia,
- 8 amin’ ny voninahitra sy ny fahafaham-boninahitra, amin’ ny laza ratsy sy ny laza soa; tahaka ny mpamitaka, nefa marina ihany;
- 9 tahaka ny tsy fantatra, nefa fantatra tsara ihany; tahaka ny efa ho faty, nefa, indro, velona ihany; tahaka ny faizana, nefa tsy atao maty;
- 10 tahaka ny ampalahelovina, nefa faly mandrakariva; tahaka ny malahelo, nefa mampanan-karena ny maro; tahaka ny tsy manana na dia kely akory aza, nefa manana ny zavatra rehetra.
- 11 Ry Korintiana, ny vavanay misokatra aminareo, ny fonay malalaka.
- 12 Tsy terỳ aminay ianareo, fa terỳ ao am-ponareo ihany.
- 13 Ary mba ho valiny toraka izany (izaho miteny toy ny amin’ ny zanako), dia mba mihalalaha kosa ianareo.
- 14 Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ ny tsy mino. Fa inona no iraisan’ ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no iombonana’ ny mazava sy ny maizina?
- 15 Ary inona no ifanarahan’ i Kristy sy Beliala? Ary inona no iraisan’ ny anjaran’ ny mino sy ny tsy mino?
- 16 Ary inona no ikambanan’ ny tempolin’ Andriamanitra amin’ ny sampy? Fa isika no tempolin’ Andriamanitra velona, araka ny nataon’ Andriamanitra hoe: Honina eo aminy sy handeha eo aminy Aho, ary izy ho oloko.
- 17 Koa mivoaha eo aminy ianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah, Ary aza manendry izay zavatra tsy madio; Ary Izaho handray anareo.
- 18 Ary ho Rainareo Aho, ary ianareo ho zanako-lahy sy ho zanako-vavy, hoy Jehovah Tsitoha.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.