-
Amos 4
- 1 Mihainoa izao teny izao, ianareo vantotr’ ombivavin’ i Basana, izay eny an-tendrombohitr’ i Samaria, dia ianareo izay mampahory ny mahantra sy manorotoro ny malahelo ary manao amin’ ny vadinareo hoe: Mitondrà hosotrointsika.
- 2 Jehovah Tompo efa nianiana tamin’ ny fahamasinany hoe: Indro, ho avy aminareo ny andro hitarihany anareo amin’ ny farango sy izay sisa aminareo amin’ ny fintana.
- 3 Ary avy eo amin’ ny banga no hivoahanareo, samy amin’ izay hitsiny avy; Ary horoahina ho any Harmona ianareo, hoy Jehovah.
- 4 Mankanesa any Betela, ka manotà, ary any Gilgala, ka manotà fatratra; Ento isa-maraina ny fanatitrareo alatsa-drà ary isan-kateloana ny fahafolon-karenareo;
- 5 Mandoroa zavatra misy masirasira ho fanati-pisaorana, ary miantsoa fanati-tsitrapo, eny, ambarao izany! Satria ny toy izany no sitrakareo, ry Zanak’ Isiraely, hoy Jehovah Tompo.
- 6 Fa Izaho dia efa nanome anareo ny mahamavovava tao an-tanànanareo rehetra, sy ny tsi-fahampian-kanina tamin’ ny fonenanareo rehetra; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.
- 7 Ary Izaho koa efa nampihantona ny orana tsy ho aminareo, raha mbola telo volana sisa tsy ho fararano, ka tamin’ ny tanàna iray no nampilatsahako orana, ary tamin’ ny tanàna iray kosa tsy mba nampilatsahako azy; Ny saha iray nilatsahan’ ny orana. Ary ny saha iray kosa tsy mba nilatsahany ka maina.
- 8 Dia nivembena ny tanàna roa aman-telo nitady rano tany amin’ ny tanàna iray, kanjo tsy afa-ketaheta izy; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.
- 9 Efa nasiako tamin’ ny vary main’ ny rivotra sy maty fotsy ianareo; Ny habetsahan’ ny tanimbolinareo sy ny tanim-boalobokareo sy ny aviavinareo sy ny hazo olivanareo dia nohanin’ ny valala; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.
- 10 Efa naterako areti-mandringana tahaka ny any Egypta ianareo; Novonoiko sabatra ny zatovonareo sady nobaboina koa ny soavalinareo; Ary nampakariko ho eo am-bavoronareo ny hamaimboan’ ny tobinareo; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.
- 11 Efa nisy noravako teo aminareo tahaka ny nandravan’ Andriamanitra an’ i Sodoma sy Gomora, ka efa tahaka ny forohana nosarihana tamin’ ny afo ianareo; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.
- 12 Koa izao no hataoko aminao, sy Isiraely, satria hanao izany aminao Aho, dia miomàna hihaona amin’ Andriamanitrao, ry Isiraely ô.
- 13 Fa indro Ilay mamorona ny tendrombohitra sy manao na rivotra ary mampahafantatra ny olombelona izay heviny, dia Ilay mahatonga ny maraina ho aizina ary mandia ny fitoerana avo amin’ ny tany: Jehovah, Andriamanitry ny maro, no anarany.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.