-
Amos 2
- 1 Izao no lazain’ i Jehovah: Noho ny fahotana telon’ i Moaba, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria nodorany ho sokay ny taolan’ ny mpanjakan’ i Edoma;
- 2 Fa hataoko afo ao Moaba, ka handevona ny tranoben’ i Kiriota izany; Ary Moaba ho faty amin’ ny tabataba sy amin’ ny akora ary ny fanenon’ ny anjomara;
- 3 Ary hofoanako tsy hisy mpitsara ao aminy, ary hiaraka hovonoiko izy sy ireo mpanapaka rehetra ao aminy, hoy Jehovah.
- 4 Izao no lazain’ i Jehovah: Noho ny fahotana telon’ i Joda, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria nataony tsinontsinona ny lalàn’ i Jehovah, ary ny didiny tsy notandremany, ary nampahadiso azy ny laingany, izay fanaon’ ny razany;
- 5 Fa haterako afo ao Joda, ka handevona ny tranoben’ i Jerosalema izany.
- 6 Izao no lazain’ i Jehovah: Noho ny fahotana telon’ Isiraely, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria namidiny volafotsy ny olona marina sy kapa iray lomisy ny malahelo,
- 7 Ary mihanahana mitsiriritra ny vovo-tany eo an-dohan’ ny malahelo izy sady mamily ny alehan’ ny mpandefitra, ary olona mianaka dia samy mandry amin’ ny zazavavy iray ihany mba handoto ny anarako masìna;
- 8 Amin’ ny lamba azony tamin’ ny tsatòka izy no mitsilailay eny anilan’ ny alitara rehetra, ary misotro divay novidina tamin’ ny sazy ao an-tranon’ ireo andriamaniny izy.
- 9 Nefa Izaho no nandringana ny Amorita teo anoloany, dia olona izay lava tsanganana toy ny hazo sedera sy natanjaka toy ny ôka; Eny, nosimbako ny voany teny ambony sy ny fatany tao ambany.
- 10 Ary Izaho no nitondra anareo niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta sady nitari-dalana anareo efa-polo taona tany an-efitra, mba handovanareo ny tanin’ ny Amorita,
- 11 Ary ny zanakalahinareo nisy natsangako ho mpaminany, ary ny zatovonareo ho Nazirita. Tsy izany va no izy, ry Zanak’ Isiraely? hoy Jehovah.
- 12 Kanjo nampisotroinareo divay ny Nazirita, ary ny mpaminany noraranareo hoe: Aza maminany.
- 13 Indro, Izaho no hitambesatra aminareo toy ny fitambesatry ny sariety feno amboara.
- 14 Koa tsy ho afa-mandositra ny faingam-pandeha, ny mahery tsy hampiseho hery, ary ny lehilahy mahery tsy hahavonjy ny ainy;
- 15 Izay mitana tsipìka tsy hahajanona, ary ny faingan-tongotra tsy hahavonjy tena, izay mitaingin-tsoavaly tsy hahavonjy ny ainy;
- 16 Ary na dia izay sahy ao amin’ ny mahery aza dia handositra mitanjaka amin’ izany andro izany, hoy Jehovah.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.