-
Amos 5
- 1 Henoinareo izao teny izao, izay entiko milaza anareo, dia hira fahalahelovana, ry taranak’ Isiraely;
- 2 Lavo Isiraely virijina ka tsy hahatsangana intsony; Nazera tamin’ ny taniny izy, ka tsy misy mangana azy.
- 3 Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Izay tanàna namoaka arivo, dia, indreo, zato monja no sisa: ary izay namoaka zato, dia, indreo, folo monja no sisa ho an’ ny taranak’ Isiraely.
- 4 Fa izao no lazain’ i Jehovah amin’ ny taranak’ Isiraely; Tadiavo Aho, dia ho velona ianareo;
- 5 Fa aza mitady an’ i Betela, na mankany Gilgala, ary aza mandroso ho any Beri-sheba; Fa ho babo tokoa Gilgala, ary Betela dia ho tonga tsinontsinona.
- 6 Mitadiava an’ i Jehovah, dia ho velona ianareo; Fandrao hilatsaka toy ny afo mandevona amin’ ny taranak’ i Josefa Izy, ary Betela tsy hanana izay hahafaty ny afo,
- 7 Dia ianareo izay mamadika ny rariny ho zava-mahafaty ary mampiongana ny fahamarinana ho eo amin’ ny tany.
- 8 Ilay nanao an’ Ikotokelimiadilaona sy ny Telonohorefy, ary mampody ny aloky ny fahafatesana ho maraina sy manamaizina ny andro ho alina, dia ilay miantso ny rano ao an-dranomasina ka mandatsaka azy amin’ ny tany: Jehovah no anarany,
- 9 Dia Ilay mampitselatra fandravana hamely ny mahery, ka dia mihatra amin’ ny tanàna mimanda ny fandravana.
- 10 Halany eo am-bavahady izay mananatra, ary ataony ho fahavetavetana izay miteny ny marina.
- 11 Koa noho ny fanitsakitsahanareo ny mahantra sy ny nampandoavanareo vary azy, dia mba nanao trano vato voapaika ihany ianareo, nefa tsy hitoetra ao aminy; Namboly tanim-boaloboka mahafinaritra ihany ianareo, nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.
- 12 Fa fantatro fa be ny helokareo, ary fatratra ny fahotanareo: Mampahory ny marina sy mandray kolikoly ianareo ary mamadika ny malahelo eo am-bavahady.
- 13 Koa izay manan-tsaina dia hangina amin’ izao andro izao, fa andro mampahory izao.
- 14 Ny tsara no tadiavo, fa aza ny ratsy, mba ho velona ianareo; Ka dia homba anareo Jehovah, Andriamanitry ny maro, araka izay efa nolazainareo.
- 15 Ankahalao ny ratsy, ka tiavo ny tsara, ary aoreno eo am-pitsarana ny rariny; Angamba Jehovah, Andriamanitry ny maro, hamindra fo amin’ izay sisa amin’ i Josefa.
- 16 Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo, Andriamanitry ny maro: Eny an-kalalahana rehetra dia hisy fisaonana, ary eny an-dalambe rehetra dia hisy hanao hoe: Indrisy! Indrisy! Ary hiantso ny mpiasa tany hitomany izy, ary izay mahay hira fisaonana dia hantsoiny hanao.
- 17 Ary any amin’ ny tanim-boaloboka rehetra dia hisy fisaonana; Fa handeha hamaky eo aminao Aho, hoy Jehovah.
- 18 Lozan’ izay maniry ny andron’ i Jehovah! Hataonareo inona moa ny andron’ i Jehovah? Dia aizina, fa tsy fahazavana,
- 19 Tahaka ny olona mandositra ny liona ka sendra ny bera, ary rehefa tafiditra ao an-trano ka mitehin-tanana amin’ ny rindrina, dia kekerin’ ny menarana.
- 20 Moa tsy aizina va ny andron’ i Jehovah, fa tsy fahazavana? Tsy aizim-pito tsy misy mangirana akory va izany?
- 21 Halako, eny, laviko ny andro firavoravoanareo, ary tsy ho hanitra ankasitrahana amiko ny fivorianareo masìna.
- 22 Na dia ateranareo fanatitra dorana sy fanatitra hohanina aza Aho, dia tsy sitrako izany; Ny zanak’ omby mifahy aterinareo ho fanati-pihavanana dia tsy hojereko akory.
- 23 Atsaharo ny finaonaonan’ ny hiranareo, fa maharenina Ahy; Fa tsy hihaino ny fanenon’ ny lokanganareo Aho.
- 24 Ary aoka ny fitsarana hanalonalona toy ny rano, ary ny fahamarinana toy ny renirano tsy mety ritra.
- 25 Moa efa nanatitra fanatitra hohanina sy fanatitra alatsa-drà ho Ahy tany an-efitra efa-polo taona va ianareo, ry taranak’ i Isiraely?
- 26 Tsia, fa ny nitondra ny tabernakelin’ ny mpanjakanareo sy ny fipetrahan’ ny sampinareo ihany no nataonareo, dia ny kintan’ ny andriamanitrareo, izay nataonareo ho anareo
- 27 Ka dia ho entiko ho babo any ankoatr’ i Damaskosy ianareo, hoy Jehovah, Andriamanitry ny maro no anarany.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.