-
1 Timothy 6
- 1 Aoka izay andevo rehetra eo ambanin’ ny zioga hanao ny tompony ho miendrika hohajaina tsara, mba tsy hitenenana ratsy ny anaran’ Andriamanitra sy ny fampianarana.
- 2 Ary izay manana tompo mino dia aoka tsy hanao tsinontsinona azy, satria rahalahy izy; fa vao mainka tokony hotompoiny aza izy, satria mino sy malala ilay mpandray ny soa atao. Izany zavatra izany no ampianaro sy ananaro.
- 3 Raha misy olona manao fampianarana hafa noho izany ka tsy manaiky ny teny tsy misy kilema, dia ny an’ i Jesosy Kristy Tompontsika, sy ny fampianarana izay mahatonga ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra,
- 4 dia mieboebo foana izy ka tsy mahalala na inona na inona, fa adala amin’ ny fiadian-kevitra sy ny fiadian-teny izay mahatonga fialonana, fifandirana, fanaratsiana, fiahiahian-dratsy,
- 5 fifandirana lalandava, fanaon’ ny olona vetaveta saina sady efa nialan’ ny fahamarinana, manao ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra ho fahazoan-javatra.
- 6 Fa misy tombony lehibe tokoa ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra omban’ ny fianinana.
- 7 Fa tsy nitondra na inona na inona ho amin’ izao tontolo izao isika, sady hita fa tsy hahatondra na inona na inona hiala.
- 8 Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin’ izany.
- 9 Ary izay ta-hanan-karena dia latsaka amin’ ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filàna maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin’ ny fandringanana sy ny fahaverezana.
- 10 Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin’ ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin’ ny alahelo be.
- 11 Fa ianao kosa, sy lehilahin’ Andriamanitra, mandosira izany zavatra izany, ka miezaha mitady fahamarinana, toe-panahy araka an’ Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy.
- 12 Miadia ny ady tsaran’ ny finoana, hazòny ny fiainana mandrakizay; fa ho amin’ izany no niantsoana anao koa sy nanaovanao ilay fanekena tsara teo imason’ ny vavolombelona maro.
- 13 Izaho mananatra anao eo anatrehan’ Andriamanitra, Izay mamelona ny zavatra rehetra, ary eo anatrehan’ i Kristy Jesosy, Izay nanao ilay fanekena tsara teo anatrehan’ i Pontio Pilato,
- 14 mba hotehirizinao tsy hanan-tsiny amam-pondro hatramin’ ny fisehoan’ i Jesosy Kristy Tompontsika izany didy izany;
- 15 ny Andriana finaritra sady tokana, Mpanjakan’ ny mpanjaka sy Tompon’ ny tompo, no haneho izany amin’ ny fotoany;
- 16 Izy ihany no manana ny tsi-fahafatesana, mitoetra eo amin’ ny mazava tsy azo hatonina, Izay tsy hitan’ olona sady tsy hainy jerena; ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. Amena.
- 17 Anaro ny mpanankarena amin’ izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona, na hatoky ny harena miovaova, fa Andriamanitra, Izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika,
- 18 mba hanao soa, mba hanan-karena amin’ ny asa tsara, hazoto manome sy miantra,
- 19 ka dia hihary fanorenana tsara ho an’ ny tenany ho amin’ ny andro ho avy, mba hihazonany ny tena fiainana.
- 20 Ry Timoty, tehirizo ilay natolotra anao, ka mialà amin’ ny fibedibedena foana sy ny fanoherana avy amin’ izay atao hoe fahalalana, kanjo tsy izy,
- 21 izay neken’ ny sasany, ka nania tamin’ ny finoana izy. Ho aminareo anie ny fahasoavana.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.