-
1 Timothy 3
- 1 Mahatoky izao teny izao: Raha misy olona maniry ny asan’ ny mpitandrina, dia maniry asa tsara izy.
- 2 Koa ny mpitandrina dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, manam-bady tokana, mahonon-tena, hendry, tia filaminana, mampiantrano vahiny, mahay mampianatra,
- 3 tsy mpimamo lian’ ady, tsy mpikapoka, fa mandefitra, tsy mpila ady, tsy mpitia vola,
- 4 manapaka tsara ny ankohonany, mampanaiky ny zanany amin’ ny fahamaotinana tsara
- 5 (fa raha misy olona tsy mahay mitondra ny ankohonany, hataony ahoana no fitandrina ny fiangonan’ Andriamanitra?),
- 6 tsy izay zazavao amin’ ny fivavahana, fandrao hieboebo foana izy ka ho latsaka amin’ ny fahamelohan’ ny devoly.
- 7 Ary tsy maintsy ho tsara laza koa amin’ izay eny ivelany izy, fandrao ho lavo amin’ ny fananan-tsiny sy ny fandriky ny devoly.
- 8 Ny diakona koa toy izany ihany, ho maotona, tsy miroa teny, tsy tia divay be, tsy tia harena maloto,
- 9 mitandrina tsara ny zava-miafina ny amin’ ny finoana amin’ ny fieritreretana madio.
- 10 Ary aoka hizahan-toetra ireo aloha, dia vao hanao ny asan’ ny diakona izy, raha tsy manan-tsiny.
- 11 Ny vehivavy koa ho toy izany ihany: maotona, tsy mpanendrikendrika, mahonon-tena, mahatoky amin’ ny zavatra rehetra.
- 12 Aoka ny diakona samy hanam-bady tokana sady hanapaka tsara ny zanany sy ny ankohonany.
- 13 Fa izay efa mahavatra tsara ny asan’ ny diakona dia mahazo toerana tsara ho an’ ny tenany sy fahasahiana be amin’ ny finoana izay ao amin’ i Kristy Jesosy.
- 14 Izany zavatra izany dia soratako aminao, na dia manantena hankatỳ aminao faingana aza aho;
- 15 fa raha tratra ela aho, dia ny hahafantaranao izay fitondran-tena mety hatao ao an-tranon’ Andriamanitra, dia ny fiangonan’ Andriamanitra velona, sady andry sy fiorenan’ ny fahamarinana.
- 16 Ary iaraha-manaiky mihitsy fa lehibe ny zava-miafina ny amin’ ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra, dia Ilay naseho teo amin’ ny nofo, nohamarinina tao amin’ ny Fanahy; hitan’ ny anjely, notorina tany amin’ ny jentilisa, ninoana teny amin’ izao tontolo izao, nakarina tamin’ ny voninahitra.
-
-
World English Bible (web)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
Baiboly Malagasy (1865) (mg1865 - 2)
2021-01-31Malagasy (mg)
La Bible Malagache
Malagasy Bible (1865)
La première Bible malgache a été éditée en 1835, traduite par le missionnaire britannique David Griffith de la London Missionary Society. Elle a subi sa toute première correction entre 1865 et 1866.- Encoding: UTF-8
- Direction: LTR
- LCSH: Bible .Malagasy
- Distribution Abbreviation: mg1865
License
Public Domain
Source (OSIS)
https://nybaiboly.net/BibleFrancoMalgache.htm
- history_1.0
- Initial version (2008.01.24)
- history_1.1.1
- Updated conf and renamed to language code appropriate naming scheme
- history_1.1
- First full version, with notes and titles (2008.07.14)
- history_2.0
- (2021-01-31) Rebuilt with av11n from improved source text (2020-01-27)

Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.